Alakamisy 13 Febroary 2025
Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo ; hoy izaho indray : Mifalia. Filipiana 4:4
Ny fifaliana avy amin’Andriamanitra dia fifaliana lalina, ao anaty, miorina amin’ireo zavatra azo antoka ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Io fifaliana io dia tsy miankina amin’ny toejava-misy eo amin’ny fiainana, fa amin’ny fifandraisantsika amin’i Jesosy. Ny andinin-tSoratra Masina nomena androany dia tenin’ny apostoly Paoly tany an-tranomaizina !
Io fifaliana io dia miantehitra amin’ny fananana antoka tsy hay hozongozonina omen’i Jesosy ho an’ireo izay nandray Azy ho Mpamonjy sy Tompon’ny fiainany. „Mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo” (Lioka 10:20).
Manohana antsika io fifaliana io, ary manome antsika fiadanam-po ao anatin’ireo zava-tsarotra atrehintsika andavanandro, mampahery antsika amin’ny fotoana mampahalemy antsika ara-batana, na ara-tsaina, na ara-panahy. Ao anaty fontsika lalina ao io fifaliana io. „Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo” (Nehemia 8:10). Eo mandrakariva io fifaliana io, araka ny tenin’ny Tompo Jesosy hoe : „Tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo” (Jaona 16:22).
Ny famakiana ny Baiboly no manome io fifaliana io : „Faly aho noho ny teninao, tahaka ny mahazo babo be” (Salamo 119:162).
Ny fifaliana omen’Andriamanitra dia hita maso, heno, ary miampita : „Andriamanitra nampifaly azy indrindra ; ary ny vadiny aman-janany nifaly koa ; ka dia re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema” (Nehemia 12:43).
Ny fifaliana dia anisan’ireo hatsaran-toetra kristiana ateraky ny Fanahy Masina ao anatintsika, rehefa miaina ao anaty fiombonana aminy isika : „Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po.” (Galatiana 5:22-23).