Alarobia 12 Febroary 2025
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy. 2 Korintiana 5:17-18
„Nobeazina tao amina ankohonana katolika mpanatanteraka fomba amam-panao ara-pivavahana aho, saingy tsy nanana an’i Kristy ho Mpamonjiko. Fony mbola zatovo aho dia nanomboka nanontany tena momba an’Andriamanitra, ary nanatsoaka ny hevitra hoe tsy misy Izy. Koa tsy nino ny fisian’Andriamanitra aho izany. Taorianan’izany aho dia nanomboka tsy nahazoazo aina, ary nanana fisainana tsy mampandroso, tamin’ny zavatra rehetra, hany ka nieritreritra hamono tena mihitsy. Niaina vanimpotoana tsaratsara kokoa aho rehefa nisy mpampianatra vitsivitsy nikarakara ahy, anisan’ireo i Aline, vehivavy mpino, izay niresaka imbetsaka tamiko momba an’Andriamanitra. Tsy nihatsara anefa ny toe-piainako. Nanandrana namono tena aho, tamina fanafody, tamina fanantonan-tena, ary tamina fahafatesana an-drano. Tsy nisy nahomby izany, nefa tsapako hoe nisy zavatra niaro ahy, tahaka hery mihazona ahy tsy ho maty an-drano : amiko dia Andriamanitra izany. Kristiana ny anabaviko, ary nitondra ahy ho any amina fiangonana iray nivavaka ho ahy. Nanohy nanohana ahy i Aline. Nefa mbola tato anatiko mandrakariva ireo fihevitra mandoza, tao amin’ilay fiainako tsy misy an’Andriamanitra sy tsy misy mpitarika. Dia niharatsy kokoa hatrany ny toe-tenako. Ary koa, tsy tanterako ilay fara fikasako hamono tena, hitsambikina avy eny an-tafon’ny sekoly nianarako.
Tsy hitako intsony izay hatao, hahazoana ilay „fanafahana”. Tamin’io andro io indrindra no nisy naman’ny anabaviko, nitaona ahy hivavaka amin’Andriamanitra. Ny ampitso dia natolotro ho an’ny Tompo ny fiainako. Nangatahiko Izy hamela ny fahotako rehetra sy hanaisotra izay rehetra maneritery ahy. Dia niova ny fiainako. Fahateraham-baovao izany. Tafahoana tamin’Andriamanitra aho, ary nataony nisy dikany ny fiainako. Nanome ahy ilay fitiavana nilaiko i Jesosy, ary nameno ilay habangana be teo amin’ny fiainako.”