Zoma 14 Febroary 2025

Fa aiza no hahamarina ny zanak’olombelona eo anatrehan’Andriamanitra ? Joba 9:2

Tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna eo anatrehany… Nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy (ireo rehetra mino), noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 3:20, 24

 

Ny fahamarinan’i Joba

Sarotra ny ho tsy misy hokianina toa an’i Joba. Io mpino io dia manome haja an’Andriamanitra ; ankoatra izany dia tohina izy manoloana ny fahorian’ny hafa, ary miezaka hanamaivana izany (Joba 29:15). Ambonin’izany rehetra izany, Andriamanitra dia nameno fitahiana azy. Noho izany dia tsy misy na inona na inona manameloka ny fieritreretany ! Andriamanitra mihitsy no milaza momba an’i Joba hoe : „Joba mpanompoko… olona marina sy mahitsy izy, sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy” (Joba 1:8 ; 2:3).

Nefa nomen’Andriamanitra lalana i Satana mba hampandalo fitsapana mahamay teo amin’i Joba : nafoiny tamin’ny indray andro ny fananany rehetra sy ny zanany folo mianadahy. Taorianan’izany dia rakotry ny vay ratsy nampangidihidy azy mafy ny tenany.

Dia nisy naman’i Joba telo lahy namangy azy, niampanga azy, nilaza fa fahotana afeniny no nahatonga izao fitsapana azy izao. Niaro tena mafy i Joba, niantso an’Andriamanitra hiandany aminy, ary nanome tsiny Azy, nanoloana ny fanginany. Misy farany anefa ny fitsapana, ary fifampiresahana mivantana teo amin’i Joba sy Ilay Andriamanitra Mpahary no mamarana ny boky. Dia tsapan’i Joba ny halemena sy hakelin’ny olona, ary nialany izay rehetra mety ho hambo, eo anatrehan’Andriamanitra. Hoy izy : „Ny masoko no mahita Anao. Koa dia miaiky sy mibebaka… aho” (Joba 42:5-6). Rehefa avy nositranin’Andriamanitra izy, dia nofenoiny fitahiana indray.

Mitovitovy amin’i Joba ve ianao ? Manaja an’Andriamanitra, mikatsaka hanao ny tsara, ary mihevi-tena ho tsy misy hokianina ? Ny tantaran’i Joba dia mampianatra antsika fa tsy misy olona marina, na iray aza, eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny fitondrantenany. Andriamanitra irery no afaka manamarina antsika. Izay mino an’i Jesosy no hamarininy (andinin-tSoratra Masina androany). Io fahamarinana io no hany lavorary eo imason’Andriamanitra !