Talata 11 Febroary 2025

Jesosy… nanao taminy hoe : Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny matoky ny harena amin’ny fanjakan’Andriamanitra ! Marka 10:24

Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra. 1 Timoty 6:10

 

Ny fanjakan’Andriamanitra sa ny fanjakan’ny vola ?

Anisan’ny vavaka tononina matetika indrindra ao amin’ny tontolo kristiana ny „Rainay Izay any an-danitra”. Misy ao amin’io vavaka io ny hataka hoe : „Ho tonga anie ny fanjakanao !” Sarotra ny mihevitra fa tononina mandrakariva amina faniriana tena marina io hataka io, satria maro aoka izany ireo olona mihazakazaka mankany amina fanjakana hafa tanteraka, dia ny fanjakan’ny vola. Mahazo vola, maka tombony, mampahabe kokoa hatrany izany tombony izany, mba ho afaka manjifa kokoa sy mahazo fialamboly be kokoa hatrany : izany no antony mandrisika, manjaka eto amin’izao fiarahamonina misy antsika izao. Hoy anefa Jesosy : „Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny manankarena amin’ny fanjakan’Andriamanitra !… Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra, noho ny hidiran’ny manankarena amin’ny fanjakan’Andriamanitra”. Dia talanjona indrindra ireo mpianatra ka nanontany Azy hoe : „Iza indray no azo hovonjena ? Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe : Raha amin’ny olona, dia zavatra tsy hainy izany ; fa tsy mba tahaka izany, amin’Andriamanitra ; fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra” (Marka 10:23-27).

Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao : iray amin’ny sakana lehibe indrindra tsy handraisana ny famonjena maimaimpoana ao amin’i Jesosy Kristy ny fisarihan’ny harena, izay maha revo ny olombelona.

Ndao handini-tena an-kitsimpo. Inona no lohalaharana eo amin’ireo zavatra irintsika ? Ny vola ve ? na ny tombontsoa ara-karena ? izay matetika mandalo sy mandiso fanantenana. Sa ny fanjakan’Andriamanitra ? Indray andro any dia hanjaka eto amin’izao tontolo izao Jesosy Kristy, ary hametraka amin’izay ny fahamarinana sy ny fiadanana ; nefa dieny ankehitriny Andriamanitra dia te hanjaka eo amin’ny fiainantsika, amina fahefana feno fitiavana sy fitsimbinana. Koa raha mibahan-toerana ao anatintsika ny fanjakan’ny fikatsahana fahafaham-po amin’ny fahafinaretana sy ny harena, dia ndao hangataka an’Andriamanitra hanova ny fontsika. Hataony izany, satria „hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra” !