Alatsinainy 10 Febroary 2025

(Hoy Jesosy :) Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo. Matio 5:44

 

Ireo fahavalontsika

Iza no fahavalontsika eo amin’ny fiainantsika ?

Izy ireo dia mety hiseho eo amin’olona mankahala te hanisy ratsy sy hampidi-doza antsika. Mety ho hitantsika ihany koa izy ireo ao amin’izay rehetra manakana antsika tsy handroso eo amin’ny fiainana maha kristiana antsika : zava-tsarotra, toetra malemy, fahazaran-dratsy. Ary ampiasain’i Satana ireo fahavalo ireo mba hanafihany antsika ary hiezahany mamitaka antsika sy manisy ratsy antsika, amin’ny fampiahiahiany antsika.

Goliata, ilay goavambe, dia fahavalo lozabe ho an’ny Israely, nefa nampiasa ny fanafihany Andriamanitra mba hampisehoany ny halehibeny tao amin’ny fandresen’i Davida, tovolahy mpiandry ondry mbola tsy niaina ady mihitsy. Tamin’izany Andriamanitra dia nanome fandresena mamirapiratra ho an’ny vahoakany, izay nafahany tamin’ireo fahavalo nanafika sy nampihorohoro azy. Ny adin’i Davida sy Goliata dia maneho an-tsary ireo adintsika amina „goavambe” tsy maintsy resena, eo amin’ny fiainantsika. Ireo fahavalo ireo dia manery antsika ho mailo sy hanana fahendrena, ary noho izany, manery antsika hiambina sy hivavaka tsy mitsahatra, ka hiankina mandrakariva amin’ny herin’Andriamanitra.

Raha mahafantatra olona nitady hanisy ratsy anao ianao, dia nahatsapa angamba fa nahatonga anao hanakaiky an’i Kristy izy ireny, na tsy nahafantatra na naniry izany aza. Dia manomboka tia ny fahavalonao ianao, ary misaotra an’Andriamanitra noho ireo izay mitady hanisy ratsy anao. Andriamanitra tsy akory tsy te hampihataka ny fahavalonao rehetra tsy ho eo amin’ny lalanao, fa te hampamirapiratra ny toetrany eo amin’ny fiainanao, amin’ny alalan’ireo fandresena azonao noho ny fiankinanao aminy.