Alahady 9 Febroary 2025

Ary nijanona teo akaikin’ny hazofijalian’i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny… Ary nony hitan’i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin’ny reniny : Ravehivavy, indro ny zanakao ! Ary hoy koa Izy tamin’ilay mpianatra : Indro ny reninao ! Ary tamin’izany ora izany dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy izy. Jaona 19:25-27

 

Ireo teny 7 teo amin’ny hazofijaliana (4)

Ravehivavy, indro ny zanakao

Teo akaikin’ny hazofijalian’i Jesosy dia nangirifiry i Maria reniny sy Jaona mpianany, nijery ny zava-miseho. Ny nampifamatotra azy ireo dia ny fitiavan’ny Mpamonjy azy ireo, sy ny fitiavana Azy iombonan’izy ireo. Madiva ho vita ny fanirahana anton’ny nahatongavan’i Jesosy teto amin’ity tontolo ity. Tamin’io fotoana faratampony io dia nasehon’Ilay Zanak’Andriamanitra ny fitiavany an’i Maria reniny. Nankininy tamin’i Jaona izy hokarakarainy ; namaly avy hatrany ny fitokisan’ny Mpampianany i Jaona, ka nandray an’i Maria ho any aminy.

Misy heviny ho an’ny mpino rehetra amin’izao fotoana izao io zava-nitranga io : Toa an’i Maria sy Jaona, dia tian’ny Mpamonjy isika tsirairay. Ary mazava ho azy fa tia Azy koa isika. Nanoratra i Jaona tatỳ aoriana kely hoe : „Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha” (1 Jaona 4:19). Ary vokatr’izany : „Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika ; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy” (ireo izay manana an’i Jesosy ho Mpamonjiny) (1 Jaona 3:16).

Ny fitiavana tokony hifankatiavan’ny kristiana dia avy amin’ny fitiavan’ny Tompo. Io fitiavana io no toetra mampiavaka ny zanaka anisan’ny ankohonan’Andriamanitra, toetra mampiray azy ireo. Io fitiavana io dia maneho ny fisian’ny ain’Andriamanitra ao amin’izy ireo : „Avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra” (1 Jaona 4:7).

Ora vitsivitsy talohan’ny hanomboana Azy eo amin’ny hazofijaliana, Jesosy dia nametraka ho fitsipi-piainana fototra ho an’ny mpianany ny teny hoe : „Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo ; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia” (Jaona 13:34-35).