Alakamisy 6 Febroary 2025

Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana. 2 Timoty 3:16

Rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra… ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra. 1 Tesaloniana 2:13

 

Inona moa ny Baiboly ? (1)

Ny Baiboly dia boky tsy mamela an’iza na iza tsy hiraika. Izy no boky miely indrindra manerana izao tontolo izao sy rarana mafy indrindra any amina firenena sasany. Izy no boky arovana indrindra sy lavina indrindra an-kerisetra, tiana indrindra ary ankahalaina indrindra.

Fa nahoana moa ? Satria izy dia ny Tenin’Andriamanitra, fanambarana mba tian’Andriamanitra nomena ny olona, hafatra mifono fitiavana miantefa amintsika tsirairay, omban’ny fahefana feno maha avy amin’Andriamanitra azy. Izy irery no afaka mitsilo antsika momba ny toerana misy antsika ankehitriny manoloana an’Andriamanitra, sy momba ny hoavintsika mandrakizay. Izy no Fahamarinana. Ndao hangataka am-panetrentena amin’Andriamanitra mba hahatakatra sy hanaiky ny hafatra entiny : miankina amin’izany ny fahasambarantsika ankehitriny sy mandrakizay.

Ny Baiboly dia nosoratan’olona efapolo eo ho eo, olona tena samihafa, nandritra ny taonjato dimy ambinifolo mahery, nefa dia maneho fahatokana sy fitohizana mendrika hosinganina. Na dia efa ho 2000 taona eo ho eo aza ny pejy farany voasoratra ao aminy, dia mahagaga fa mbola manan-kery hatrany izy.

Raha ny marina, ny Baiboly dia asasoratra mpanoratra tokana, mandrakizay, dia ny Fanahin’Andriamanitra. Izy no nanome ho an’ny mpanoratra tsirairay ny hafatra manokana nankinina taminy. Ny hafatra tsirairay no nandrafitra ampahany (na boky) iray ao amin’ny Baiboly. Ary io Fanahin’Andriamanitra io ihany no mampiantefa io tenin’Andriamanitra io amin’ny fieritreretana sy fon’ny olona, mba hanavao azy indray, hampianatra azy, handresy lahatra azy, hanitsy azy, hitaiza azy ao amin’ny fahamarinana. Ndao hamaky io Teny io, ary hamela ny tenantsika mba hidiran’ny hafatra entiny, mifono fitiavana sy aina.

(hitohy)