Zoma 7 Febroary 2025
(Hoy Jesosy :) Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. Jaona 5:39
Ny Testamenta Taloha dia ny fizarana voalohany amin’ny Baiboly. Izy io dia voasoratra talohan’ny nahatongavan’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, tetỳ an-tany. Misy fizarana 39, antsoina hoe „boky”, ao anatiny.
Ny Genesisy dia maneho ny fahariana izao tontolo izao, avy eo manoritsoritra ny niandohan’ny zanak’olombelona, ary tonga hatramin’ny niforonan’ny vahoaka Israely. Ireo boky efatra manaraka, miaraka amin’ny Genesisy, no boky dimy-„n’i Mosesy”, na Pentateoka. Mirakitra ny „Lalàna” nomen’Andriamanitra ny Israely izy io, ary mitantara ny dian’ny vahoakany namakivaky ny taniefitra, nanomboka tamin’ny nivoahany avy tany Egypta ka mandra-pahatongany tany an-tany Kanana.
Ireo boky tantara 12, manomboka amin’ny Josoa ka hatramin’ny Estera, dia mitantara ny momba io firenena io nandritra ny efa ho taonjato folo, tantara voamariky ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahari-pony lehibe tamin’io vahoaka io, nefa koa ny famaizana tsy maintsy nampihariny taminy, noho izy nanalavitra an’Andriamanitra sy nanompo sampy.
Boky dimy no mamohafoha fihetseham-po na manome fanabeazana, ka iray amin’ireo ny Salamo.
Ary farany, ireo boky 17 nosoratan’ny mpaminany dia mameno ny fanambaran’Andriamanitra mahakasika ny Israely. Izany tantara manontolo izany, tantara lava momba io firenena nomena tombontsoa manokana io, dia manaporofo fa tsy mahay manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra ny olona, na apetraka ao amin’ny toerana mety indrindra aza.
Ao ambadik’ireo soratra ireo, ity fizarana voalohany ao amin’ny Baiboly ity dia manambara mialoha, indraindray amin’ny fomba miafina, ny hahatonga etỳ an-tany Ilay Zanak’Andriamanitra, dia ny Kristy, Ilay Mesia nampanantenaina, Izay hahafahana manatanteraka fifandraisana mahatretrika sy maharitra amin’Andriamanitra amin’izay. „Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo : Indro, hanana anaka ny virijina, ka hiteraka zazalahy ; ary ny anarany hataony hoe Imanoela” (Isaia 7:14).
(hitohy)