Alarobia 5 Febroary 2025
Dia hoy Jesosy taminy :… Mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao ; ary avia hanaraka Ahy. Fa… ilay zatovo… niala tamin’alahelo… satria nanana fananana be. Matio 19:21-22
(Hoy Jesosy tamin’i Matio :) Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy. Matio 9:9
Tantara roa ao amin’ny Baiboly no mampiseho amintsika an’i Jesosy miantso olona tena samy hafa, hoe : „Andeha hanaraka Ahy”.
Androany Izy dia miantso antsika ihany koa. Mbola ilay antso tsy miova ihany, mitaona antsika hanaraka Azy ; saingy ny valinteny no samihafa. Ao amin’ny Filazantsara, ilay tovolahy manankarena dia nandà ny fanasana. Matio kosa dia nitsangana ary nanaraka an’i Jesosy.
Ilay tovolahy manankarena dia toa vonona ihany hanaraka ny didin’Andriamanitra, nefa tsy te hamoy ny fananany. Io tovolahy io dia maneho ireo olona mamaky ny Baiboly, mivavaka, mankany am-piangonana, ary miezaka mitandrina fomba amam-panao ara-pivavahana, nefa mandà tsy hiala amina zavatra tiany izay manalavitra azy amin’Andriamanitra, raha ny marina. Ho azy io, izany dia ny fitiavan-karena. Ankehitriny dia maro ireo fihetsika tsy mifanaraka amin’ny Baiboly, nefa tsy tiana hafoy. Ny tsirairay dia afaka mamantatra izay manakana azy tsy hanaraka an’i Jesosy.
Matio kosa dia tsy nanao kajikajy, fa nandray an-tsitrapo fanapahan-kevitra hanaraka an’i Jesosy, toy ireo mpianatra hafa izay nandao ny zavatra rehetra mba hanaraka Azy.
Iry voalohany dia hiaina manirery amin’alahelo, miraiki-po amin’ny volany, ary inoana fa ho sahirana amin’ny fitantanana ny harem-beny, izay tsy maintsy hapetrany ho an’olon-kafa, indray andro any, na koa ho hitany manidina (Ohabolana 23:4-5)… Ilay faharoa kosa hanaraka an’i Jesosy mandritra ny telo taona, hisitraka ny fampianarany, ho vavolombelon’ireo fahagagana ataony ary hahita maso ny fisehon’ny heriny sy ny fahasoavany. Taorianan’izany izy dia ho apostoly manompo ny fiangonana.
Hanao inona isika amin’ity taona 2025 ity ? Tsy antsoina handao ny asantsika avokoa tsy akory isika rehetra, nefa ve isika mba maniry hanaraka an’i Jesosy ?