Talata 4 Febroary 2025
Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Filipiana 4:6
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika… famonjena amin’izay andro mahory. Hebreo 4:16
— „Andriamanitra dia mahalala ny zavatra rehetra. Na mbola tsy misokatra akory aza ny vavako mba hiteny, dia efa fantany mialoha izay rehetra holazaiko ! Araka ny maha Ray Azy, dia fantany avokoa izay rehetra ilaiko : koa hitondra inona ho ahy ny mivavaka ?”
— Mamaly ny Baiboly. Ny vavaka dia fomba ifandraisana amin’Andriamanitra, fotoana ifanakalozana amin’Ilay Raintsika, fotoana ifanakaikezana sy ifampizarana aminy. Ilay Andriamanitsika dia maniry ny hilazantsika aminy izay andrasantsika, izay ilaintsika, izay ahiantsika… Na fantatr’Andriamanitra aza izay rehetra ilaintsika, dia iriny ny hilazantsika, omban’ny fanampian’ny Fanahiny, izay mombamomba ny toe-pontsika. Maheno ireo sentontsika Izy, mahatakatra ireo fanahiantsika, ary mikarakara antsika (1 Petera 5:7).
Ny fahafantaran’Andriamanitra ny zavatra rehetra dia tsy manafoana ny tokony hivavahantsika. Jesosy Kristy, Ilay ohatra lavorary ho antsika, dia olom-bavaka. Ary nandritra ny fiainany tetỳ an-tany Izy dia nampirisika ny olony hivavaka, ary nanome vavaka ho ohatra ho an’ny mpianany mihitsy aza (Matio 6:9-15). Amin’ny alalan’ny vavaka ataontsika isika dia mampiteny ny finoantsika, manamafy orina ny fatokiantsika, ary mahita ny fiadanam-po. Omena voninahitra Andriamanitra, ary manome voninahitra ny finoan’ireo zanany, amin’ny fihainoany azy ireo, amin’ny fahatsapan’izy ireo ny fanatrehany, ary amin’ny valim-bavaka omeny. Izany dia toy ny ray maniry ny hananan’ny zanany fahalalahana hilaza aminy ireo fanahiany, ireo faniriany, ireo fikasany, ireo fanambiny… Andriamanitra Raintsika any an-danitra dia maniry handre ny zanany manambara ireo rehetra ireo. „Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko ; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho” (Salamo 5:3). Dia hiasa ny fahasoavan’Ilay Raintsika mbamin’ny famindrampony sy ny heriny, mba hanome antsika vonjy fanampiana, amin’ny fotoana ilàna izany.