Alatsinainy 3 Febroary 2025

Izay mino ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy. Jaona 3:36

 

Tontolo mihetsiketsika

Izao tontolo izao dia ahitana fikomiam-bahoaka mahery vaika sy fifandirana ara-piarahamonina : manambara tsy fahazoana aina lalina izany. Nahoana no misy izany fihetsiketsehana rehetra izany ? „Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena ?” hoy ny Baiboly (Salamo 2:1). Omeny koa ny valin’io fanontaniana io : „Ireo mpanjakan’ny tany mitsangana, ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany (Kristy), ka manao hoe : Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany” (and 2-3). Te hiaina tsy misy an’Andriamanitra sy tsy misy an’i Jesosy Kristy ny olombelona. Tena famakiana ady amin’Andriamanitra izany.

Mihoatra ny 2000 taona lasa izay, dia tonga tetỳ an-tany Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, mba hitondra ny fahasoavana sy ny fahamarinana (Jaona 1:17b). Nandà Azy ny olona tamin’izany vanimpotoana izany, ary namono Azy ho faty. Nefa dia nandresy ny fahafatesana Izy. Nitsangana velona indray Izy, naneho tamin’izany ny heriny, nefa ihany koa ny hadalan’ny olombelona.

Mbola misy ankehitriny izany fandavana an’Andriamanitra izany. Lavina ny fampianarana nampitainy amintsika ao amin’ny Teniny. Ny toromarika omeny dia tebahina fiarahamonina mihevitra ho mandroso. Ho tonga amin’ny faratampony ny fanandratan’ny olombelona ny tenany, rehefa hanandra-tena amin’avonavona tsy misy toy izany ny iray amin’izy ireo, hametra-tena ho filoha ara-pivavahan’izao tontolo izao ary te haka ny toeran’Andriamanitra. Antsoin’ny Baiboly hoe „ilay lehilahin’ota” izy (2 Tesaloniana 2:3), ny Antikristy. Nefa hiditra an-tsehatra Andriamanitra mba hitsara azy sy ireo tsy mino.

Aoka isika tsy hiandry hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra. Mandraka ankehitriny Jesosy Kristy dia mbola mampihavana antsika amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny finoana Azy. Dia hanana fiadanana isika, mahazo antoka fa hikarakara antsika Izy.