Alahady 2 Febroary 2025
Ary hoy izy (ilay jiolahy anankiray) : Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao. Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. Lioka 23:42-43
Ireo jiolahy roa nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, andaniny sy ankilan’i Jesosy, dia samy naniratsira Azy, tamin’ny voalohany. Tampoka teo dia niova tanteraka ilay iray. Nanaitra azy ny fihetsik’i Jesosy voahombo teo amin’ny hazofijaliana, ka voakasika ny fieritreretany. Dia niaiky ampahibemaso io jiolahy io fa mendrika azy izao mihatra aminy izao. Nefa nambarany koa ny halavorarin’i Jesosy : „Ity Lehilahy ity… tsy mbola nanao zavatra tsy mety, na dia kely akory aza” (Lioka 23:41). Ny finoany vao teraka dia nahafahany nahita fa Jesosy no Ilay Mpanjakan’ny Jiosy.
Noraisin’io jiolahy niova fo io ho Tompo i Jesosy, Izay efa ho faty, voahombo teo amin’ny hazofijaliana ; ary noresahiny ny fanjakany ho avy. Tsy nisy tao aminy, na kely aza, fahamendrehana manokana azony nalahatra, ka nitalaho izy mba hahazo ny fahasoavan’ny Mpamonjy. Nahazo valisoa ny finoany. Nampanantena azy Jesosy, fa androtr’io ihany izy dia hiaraka aminy any am-paradisa.
Afaka anehoana ny olombelona rehetra ireo lehilahy roa ireo :
— Ilay voalohany, na dia vavolombelon’ny fijaliana sy fitiavana ary fahasoavan’i Jesosy aza, dia toa tsy mba nibebaka. Raha tsy nanaiky an’i Jesosy ho Ilay Mpamonjy izy, dia efa voafaritra ho mandrakizay ny anjarany : ny fanamelohana mandrakizay, lavitra an’Andriamanitra.
— Ilay faharoa, voakasiky ny fahasoavana, dia niaiky ny fahotany ary nanaiky ny fahamarinan’i Kristy. Nibebaka izy ary nitoky tamin’i Jesosy. Ny finoany dia nahitany taratra, ao ambadiky ny fahafatesana, ny hiavian’i Jesosy hametraka ny fanjakany. Nihoatra kokoa aza ny navalin’i Jesosy, dia ny fiarahany avy hatrany amin’i Jesosy any am-paradisa. Izy dia maneho ireo rehetra tonga saina fa mendrika ny fanamelohan’Andriamanitra ary mitoky amin’i Jesosy, ka voavonjy noho ny fahasoavan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny finoana. Ho azy ireo dia azo antoka izay ho zavamisy aorianan’ny fahafatesana : ny „ho ao amin’i Kristy” (Filipiana 1:23), eo am-piandrasana ny fitsanganana ho velona indray.