Alakamisy 30 Janoary 2025

Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio ; ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. Ezekiela 36:25-26

 

Tratrako ny tanjona : kristiana aho (2)

Hitantsika omaly ny niadian’i David Powlison hevitra ela tamin’i Bob namany, momba ny finoana kristiana. Nifanakalo hevitra matetika izy roalahy ny amin’ny filôzôfia, ny amin’ny Baiboly ary ny amin’i Kristy, nefa nihodinkodina teo ihany, satria nitsoatsoaka hatrany i David. Indray alahady hariva dia hoy i Bob, tsy niolakolaka, tamin’i David : „David a, tena tianay mivady ianao. Manaja anao lalina aho, saingy ny fomba fiainanao… Mizotra ho amina fanimbana tena ianao”.

„Nampiasain’Andriamanitra izany teny izany, hoy i David, ho balan-tafondro handoahana ny ampinga vy niarovako ny foko. Nanjary resy lahatra tanteraka aho fa mpanota, maloto, tsy mino. Tsapako ny vesatry ny fahotako marobe, ary ny fahotana roa namesatra ahy indrindra dia ny nitadiavako hiaina tsy misy an’Andriamanitra sy ny tsy ninoako ny fitiavany.”

Rehefa avy nieritreritra aho, dia nanontany azy hoe : „Ahoana ny fomba hahafahako hanjary kristiana ?” Dia niara-namaky tamiko ny teny ao amin’ny Ezekiela 36 voalaza etsy ambony i Bob. Notaominy aho hitalaho amin’Andriamanitra. „Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota !” Izany no vavaka voalohany nataoko. Niseho ny maha marina ny teny fikasana nomena taonjato maro lasa hoe : Andriamanitra dia mamonjy, mamela ny fahotana, mamorona aina vaovao, manome ny Fanahiny. Nataony ho ahy izany rehetra izany.

Ny ampitso maraina, rehefa nifoha aho, dia diboky ny hafaliana. Ny eritreritra voalohany tao amiko dia ny hoe : „Tratrako ny tanjona : kristiana aho”.

(hitohy)