Alarobia 29 Janoary 2025
Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny làlantsika avy isika rehetra. Isaia 53:6
David Powlison (1949-2019), mpanoratra kristiana, dia teraka tao amina ankohonana nahita fianarana, izay nandeha matetika tao amina fiangonana protestanta malala-tsaina iray. Fony zatovolahy i David dia nieritreritra hoe : „Jesosy dia olona tena tsara, nikarakara ny mahantra. Tokony ho olona tsara mikarakara ny mahantra koa isika”. Saingy nandritra ny taona maro nandiavany ny lysea, dia nanomboka nametra-panontaniana tamin’ny tenany i David hoe : „Inona no manan-danja ? Inona no misy dikany ? Iza moa aho ?” Tsikelikely teny dia niha nihataka tanteraka tamin’ny fiangonana izy. Ny fivavahana kristiana, araka ny heviny, dia fisehoana ivelany ho mahalala fomba, ho ana olona mandà tsy hiatrika ny zavamisy. Tatỳ aoriana izy dia nifanehatra tamin’ny fahafatesana, fanenjehana, horonantsary mamoafady ary ny vokatra manimba ateraky ny zava-mahadomelina teo amin’ny namany.
Rehefa namaky ny bokin’i F. Dostoïevski izy dia nahita tsikelikely fa ny finoana kristiana dia mamaly mivantana ireo fanontaniana lehibe momba ny fiainana. Tany amin’ny oniversiten’i Harvard, tamin’izy 20 taona dia nanjary kristiana i Bob, namany akaiky azy indrindra sy niara-nanofa trano taminy. Dia nanomboka niady hevitra izy roa lahy, nandritra ny dimy taona. Tsaroan’i David izao : „Mafy loha aho. Afaka nahatakatra ny lojika mety ho marina momba ny finoana kristiana aho, nefa tsy te hila olona hamonjy ahy, ary indrindra olona hiteny amiko izay tokony hataoko. Te hiaina araka ny maha izaho ahy sy araka ny eritreritro aho. Andriamanitra anefa nanana hevitra hafa momba ny fomba tokony hiainako. Namindra fo tamiko Izy.”
(hitohy)