Zoma 31 Janoary 2025
Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ny fahoriany rehetra. Salamo 34:6
Mitondra ny fahafatesan’i Jesosy mandrakariva ao amin’ny tena izahay, mba haseho ao amin’ny tenanay koa ny fiainan’i Jesosy. 2 Korintiana 4:10
Tao amin’ny kahie firaketana nosoratany fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, dia nomarihin’i David Powlison fa matetika ny fihetsitsika voalohany, rehefa ilazana aretina lehibe na rehefa mandalo fitsapana mampangirifiry, dia ny manontany tena hoe : „Nahoana no izaho ? Nahoana no misy an’izao ? Nahoana no amin’izao fotoana izao ?” Hoy izy : „Andriamanitra dia tonga ho antsika ao amin’i Kristy. Tsy any lavitra any Izy no manoro hevitra, fa miditra ao amin’ny fijaliantsika. Hitondra antsika hatramin’ny farany Izy. Manova ny fanontaniantsika izany. Mitony ilay fijaliana anaty hoe „nahoana no izaho ?” Manandratra ny maso isika, ary manontany tena hoe : „Tompo Jesosy ô, nahoana no Ianao ? Nahoana Ianao no tsy maintsy niditra teto amin’ity tontolon’ny ratsy ity ? Nahoana Ianao no tsy maintsy niaina tao anaty fahantrana, fahoriana ary fahafatesana ? Nahoana Ianao no tsy maintsy nanao izany ho ahy ?… Fitiavana no nanaovanao izany.”
Rehefa misehatra fitsapana isika, dia ndao hisaintsaina io lahatsoratr’i Powlison io. Izany dia hitarika antsika hametra-panontaniana amin’ny endriny hafa, fanontaniana mampisy dikany indray ny zava-manahirana antsika. Raha toa mantsy ny finoako afaka ho fanilo eo amina tontolo maizina, nahoana no tsy ho izaho ? Raha toa ny fijaliako maneho Ilay Mpamonjy izao tontolo izao, nahoana no tsy ho izaho ? Raha toa Izy mitrotro ahy eny an-tsandriny, raha toa ny ady mahitsy atrehiko mampiseho amin’ny hafa ny fomba hijoroana tsy mihontsona, nahoana no tsy ho izaho ? Raha toa ny fiainako manjary loharanom-panantenana ho an’ny hafa, nahoana no tsy ho izaho ?
Tsy hoe maniry hijaly isika, nefa afaka manonona, toa an’i Jesosy, ny vavaka hoe : „Raiko ô… aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Matio 26:39). Hohenoin’Andriamanitra, Izay mamonjy ho afaka amin’ny fahafatesana, toy ny an’i Jesosy, ny antsoantso sy ranomasontsika.”
(tapitra)