Talata 28 Janoary 2025

Nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany (anatrehan’i Jesosy) ka nanao hoe : Tompoko ô, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy. Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe : Mety Aho ; madiova ianao. Dia nadio tamin’ny habokany niaraka tamin’izay izy. Matio 8:2-3

 

Manasitrana

Mbola afaka manasitrana ve Andriamanitra amin’izao fotoana izao ? Tsy misy isalasalana izany. Hanasitrana anao ve Andriamanitra anio ? Tsy voatery.

Mba hanazavana ireo hevitra mifanohitra ireo, dia hentitra ny mpino sasantsasany milaza fa ny tsy fisian’ny finoana no sakana amin’ny fanasitranan’Andriamanitra. Mazava tsara fa raha mivavaka ianao mba ho sitrana amina aretina iray, ara-batana na ara-tsaina, dia zava-dehibe ny mino fa afaka manasitrana Andriamanitra.

Ao amin’ny Filazantsara, ny olona sasantsasany dia nositranina nefa tsy nangataka izany akory. Iza no nivavaka tamin’i Jesosy ho an’ilay lehilahy maty tanana ? (Matio 12:9-13). Nositranin’i Jesosy izy. Toy izany koa, natsangan’i Jesosy ho velona avy hatrany ny zanakalahin’ilay vehivavy mananotena tao Naina, rehefa nifanena tamin’ny mpandevina Izy (Lioka 7:11-16).

Marina fa ny tsy finoana dia mety ho sakana amin’ny fahasitranana (Matio 13:58). Nefa tsy ho takatsika eto an-tany kosa hoe nahoana no misy fangatahana fahasitranana mivaly, ary ny hafa kosa tsy mivaly. Tamin’ny alalan’ny apostoly Paoly dia nisy olona sitrana sy velona indray aza, nefa tsy novalina kosa ny fangatahan’io apostoly io ho afaka amin’ny „tsilo” (azo inoana fa kilema ara-batana) nahazo ny tenany. Nanambara ihany koa izy hoe : „Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy” (2 Timoty 4:20). Tsy ho afaka nanasitrana azy ve izy ? Tsy milaza ny fiheviny rehetra amintsika Andriamanitra, ary tokony hanaiky isika fa indraindray ny fanasitranana antsika dia tsy ao anatin’ny drafitra nomaniny na ny sitrapony. Ny andraikitsika dia ny mivavaka ho an’izay marary (Jakoba 5:16). Nefa ny hoe te hahazo fahasitranana, na ahoana na ahoana, dia mety hifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ary ndao hatoky fa Andriamanitra dia te hanao mandrakariva izay mahasoa antsika (vakio Jaona 11:1-44).