Alatsinainy 27 Janoary 2025

Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy ; fa Jehovah kosa no mandray ahy. Salamo 27:10

 

Andriamanitra nandray tsara azy

Fito taona i Younis rehefa nilaozan’ny reniny. Tany amin’ny fireneny dia tsy nisy toerana fandraisana ankizy tsy misy mpiahy. Dia indro izy teny an-dalambe, nirenireny manodidina ny tsena mba hahita hanina kely… Ny alina izy dia nahita fialofana teny anelanelan’ireo trano kely tao an-tsena.

Rehefa 14 taona izy dia niditra tao amina fikambanana mpitolona, izay nihevitra hanafaka ny fireneny. Nirahina izy hanao asa miteraka korontana.

Teo amin’ny toerana iray ivelambelan’ny tanàna dia nisy kristiana nanangana trano heva mba hitoriana ny Filazantsara. Nitondra tavoahangy misy lasantsy i Younis, ary nifanosona tamin’ny olona nanatrika teo. Tamin’izay indrindra, teo ambony lampihazo, dia nisy olona iray niresaka momba ny niovany fo ho an’i Kristy. Taitra mafy izy ka nihaino ilay mpitoriteny nanazava ny loharano nipoiran’ny herisetra manenika ny firenena : ny fandavana an’Andriamanitra, Izay tia ny olona anefa. Izy ve tsy nanome ny Zanany ho antsika ratsy fanahy ireto… Tankina i Younis, ary nanontany tena moramora hoe : Ahoana no ahafantaran-drangahy io ny fiainako ?

Nefa nanohina lalina ny fony ny fitiavan’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, nolazalazain’ilay mpitoriteny, sy ny famindrampo atolotr’Andriamanitra maimaimpoana. Hadinon’i Younis ny anton’ny nahatongavany teo, ary nony farany izy dia lasa nitantara ny fiainany tamin’ilay mpitoriteny ; dia niara-namaky teny tao amin’ny Baiboly izy ireo. Sambany i Younis no nanatona Ilay Andriamanitra tia azy sy niandry azy. Niteny taminy mihitsy aza izy hoe : „Tsy nilain’ny ray aman-dreniko aho. Andriamanitro ô, raha sitrakao, raiso aho ! Anenenako ny zavatra ratsy rehetra nataoko. Jesosy ô, mamelà ny heloko, ka raiso aho ankehitriny”.

Azo antoka ny valinten’i Jesosy : „Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” (Jaona 6:37).