Alahady 26 Janoary 2025
Ary rehefa tonga teo amin’ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany, ary ny anankiray teo ankaviany. Ary hoy Jesosy : Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Lioka 23:33-34
Vao avy nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Jesosy ; faratampony ny fangirifiriana ara-batana nahazo Azy. Nefa na izany aza Izy dia nihevitra an’Andriamanitra Rainy, Izay vavolombelona mangina nahita ny fampijaliana ataon’olona tsy mifaditra ovana. Jesosy dia mahafantatra tsara ny fitiavan’ny Rainy, fitiavana tena lehibe, ary Izy no hany nahatakatra ny maha zava-doza ny ataon’ny olombelona, ka nahatonga azy ireo ho meloka eo anatrehan’Andriamanitra. Nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Ilay Zanaka malalany, mba hanilihana Azy ! Koa nangatahin’i Jesosy ny Rainy mba hamela io heloka bevava ataontsika io…
Tatỳ aoriana i Petera, izay vavolombelon’ny nitsanganan’i Jesosy velona indray sy niakarany tany an-danitra, dia niteny tamin’ny vahoaka izay nanilika sy nanombo ny Mesiany teo amin’ny hazofijaliana. Noho ny famelan-keloka nangatahin’i Jesosy tamin’ny Rainy, dia nanambara i Petera hoe : „Fantatro fa tamin’ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa” (Asan’ny Apostoly 3:17-19). Namindra fo Andriamanitra, ka nanome tombony ho azy ireo noho ny tsy fahalalany, ary koa fe-potoana mba hibebahany. Nandritra ny taonjato nifandimby, ny fanambarana ny Vaovao Mahafaly ho famonjena ny olona rehetra dia miankina amin’ny valiny nomen’Andriamanitra ny vavaka nataon’i Jesosy Mpamonjy. Eny, Andriamanitra dia Andriamanitry ny famelan-keloka, ho an’ireo rehetra mibebaka ka mitodika aminy.
Nefa Jesosy koa, teo amin’ny hazofijaliana, dia ohatra lavorary ho an’ireo izay mino Azy. Nohelohina tsy ara-drariny Izy, ary na niaritra fijaliana tsy hay lazaina aza, dia tsy nitaraina, na nanohitra, na nandrahona. Teny feno fahasoavana sy famelan-keloka no hany nolazainy.
Miteny amintsika ny apostoly Paoly, izay mpanahaka an’i Kristy, hoe : „Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany ; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa” (Kolosiana 3:13).
(hitohy mandritra ny alahady 7 manaraka)