Asabotsy 25 Janoary 2025
(Hoy Jesosy :) Tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo… Fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo. Lioka 24:44, 46
Ao amin’ny tantaran’ny nanomboana an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, tantarain’ireo filazantsara, dia fantatsika fa nanonona teny fito Izy, nandritra ireo ora naha teo amin’ny hazofijaliana Azy. Tantaraina tsirairay ireo, ao amin’ny sehatra tandrifin’ny filazantsara mitatitra azy. Ireo teny fito ireo dia toy ny didim-pananana ara-panahy avoakan’ny Mpamonjy, famintinana manetriketrika momba ny finoana kristiana.
Rehefa mandinika sy mampitaha akaiky ireo tantara, dia afaka mamerina, araka izay heverina fa tena nitranga, ny filaharana nanononan’ny Tompo ireo teny ireo. Nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy tamin’ny ora fahatelo (araka ny fomba fanisana jiosy), izany hoe tamin’ny 9 ora maraina (Marka 15:25). Izao no misongadina :
— Teny telo nandritra ny ora telo voalohany nanomboana Azy :
„Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34) ; „Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23:43) ; „Ravehivavy, indro ny zanakao !… Indro ny reninao !” (Jaona 19:26).
— Teny ivo iray, tanisaina filazantsara roa, notononin’i Jesosy rehefa nifarana ny ora telo nanonerany ireo fahotana, nandritra ny haizina nandrakotra ny tany manontolo :
„Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ?” (Matio 27:46 ; Marka 15:34).
— Teny telo taorianan’ireo ora nisian’ny haizina, efa tontosa ny fanonerana ny fahotana :
„Mangetaheta Aho” (Jaona 19:28) ; „Vita” (Jaona 19:30) ; „Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko” (Lioka 23:46). Hodinihintsika, mandritra ireo herinandro manaraka, ireo teny fito notononin’ny Mpamonjy voahombo teo amin’ny hazofijaliana ireo.
(rahampitso ny tohiny)