Zoma 24 Janoary 2025
Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy ? Matio 16:26
Ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo. Jakoba 1:21
Misy mpanoratra iray amin’izao fotoana iainantsika izao, nampiteny mpandray anjara iray ao amin’ny boky nosoratany, hoe : „Ny fanahy… dia tsy hay foanana, raha tsy miaraka amin’ny aina”. Hoy koa ny fitenin’ny olona : „Namerina ny fanahiny izy” (Il a rendu l’âme). Fa ahoana kosa no lazain’Andriamanitra momba ny fanahy, ilay ampahany tsy manam-batana ao amin’ny olombelona ?
Mba hampianaran’i Jesosy Kristy antsika, dia tantarainy ny tantara-na lehilahy iray manankarena „nanaram-po fatratra isanandro tamin’ny fahafinaretana”, sy „olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy, napetraka teo anilan’ny vavahadiny”. Samy maty izy roa lahy ireo. Ilay mpanankarena dia lasa tany amin’ny fiainan-tsy hita —toeran’ny fanahy aorianan’ny fahafatesana. „Nahita an’i Abrahama teny lavitra eny” izy, Abrahama ilay rain’ny mpino rehetra, sy Lazarosy niaraka taminy. Te hiampita eny aminy izy, satria hoy izy : „Fadiranovana aho eto anatin’ity lelafo ity”. Fa hoy kosa Abrahama namaly azy : „Ankehitriny izy (Lazarosy) no ampifalina atỳ, ary ianao kosa no fadiranovana. Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te hiala etỳ, ary tsy ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny” (Lioka 16:19-31).
Ny fanahin’ny marina —ireo izay nandray an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiny- dia manana fifaliana sy fitsaharana, fa ny fanahin’ny tsy mino kosa dia mahatsiaro fangirifiriana. Tsy mba maty ny fanahy ; miampita ho amin’ny mandrakizay izy, ho sambatra na hijaly, ary tsy hay ovaina izany. Ny olombelona dia vatana sy fanahy ary saina. Ny vatana dia maty ary miverina ho amin’ny vovoka, miandry ny hanakambanana azy amin’ny fanahy, amin’ny fitsanganan’ny tena ho velona indray, mba hiara-belona mandrakizay amin’Andriamanitra —na ho lavitra an’Andriamanitra, any amin’ny fijalijaliana.
Ndao hanomana dieny izao ny fiampitantsika ho amin’ny mandrakizay !