Alakamisy 23 Janoary 2025

Hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika ? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin’ny voalohany, ary nohamafisin’izay nandre tamintsika kosa. Hebreo 2:3

 

Fanaovana an-tsirambina

Toa tsy dia fahadisoana lehibe ny fanaovana an-tsirambina. Saingy mety ho zava-doza ny vokatra aterany. Raha voakaikitra alika mirenireny aho, dia mety ho sitrana ny fery, afaka andro vitsivitsy. Raha romotra ilay alika, nefa ataoko an-tsirambina ny fandraisana ireo fepetra tokony horaisina, dia mety ho faty aho noho izany.

Ny andinin-tSoratra Masina voatanisa androany dia miresaka ireo izay tsy miraharaha ilay „famonjena lehibe”. Mety tsy ho mpaniratsira akory ireo, mety tsy ho ratsy fitondrantena, mety ho olona mivavaka ihany, ary mihevitra ny momba an’Andriamanitra mihitsy aza. Nefa misy zavatra mampangataka andro azy ireo, momba ny fotoana hifanatrehany amin’Andriamanitra, ny fotoana handraisany an’i Jesosy ho Mpamonjiny. Mikasa hanao izany ihany izy ireo, indray andro any, saingy tsy izao ankehitriny izao. Ataon’izy ireo an-tsirambina ilay famonjena lehibe :

— lehibe, satria fanomezana avy amin’Ilay Andriamanitra lehibe,

— lehibe, satria Izy afaka mamonjy izay olona meloka indrindra amintsika,

— lehibe, satria Izy manome ny fiainana mandrakizay sy ny fahazoana miditra ao amin’ny fanjakan’i Jesosy Kristy.

Raha anisan’ireo manao an-tsirambina ireo ianao, dia saino tsara ny vokatra mety haterak’izany. Tsy hay oharina amina olana mandalo momba ny ara-bola na ara-pahasalamana izany ; zava-doza tena mampivarahontsana kokoa izany, dia ny fanalavirana mandrakizay an’Andriamanitra. Lehibe loatra ny tsy maintsy hafoy, ka tsy tokony hataonao ampitso lava ny fanapahan-kevitrao. Nahoana no tsy izao dia izao ?

„Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo” (Hebreo 3:7-8).