Alarobia 22 Janoary 2025
Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema… indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe : Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy ? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay, ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany. Matio 2:1-2
Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra. Matio 2:10
„Nipetraka aho tao anaty lamasinina. Teo ankavanako dia nisy tovolahy iray namaky ny tonom-bintana ao amina gazety, ary avy eo nanendaka izay voasoratra momba ny tononandro „Scorpion”. Inona moa no azoko natao ? afa-tsy ny nivavaka ho azy. Tampoka teo dia hoy izy tamiko :
— Ianao koa ve te hitety ny tonom-bintanao ? Inona moa ny tononandro nahaterahanao ?
— Hitanao ? ny fiainako dia napetrako eo ambanin’ny tononandro tsara indrindra, izany hoe eo ambanin’ny kintan’i Betlehema.
Nitanatana vava izy, nijery ahy. Dia nanohy aho hoe :
— Fantatrao angamba ny tantaran’ireo magy avy tany atsinanana. Rehefa napetrako teo ambanin’io kintana io ny fiainako manontolo, na koa, mba hampahazava tsara kokoa ny dikan’izany, rehefa noraisin’Andriamanitra an-tanana ny foko sy ny fiainako, dia afaka nihira hiram-pifaliana aho ary afaka nanana fiadanam-po isanandro sy ho an’ny hoaviko. Tsy ilaiko intsony ny hijery ny resaka mirefarefa lazaina tononandro. Nihoraka ilay tovolahy niresaka tamiko, niteny hoe :
— Mbola mino an’Andriamanitra ihany angaha ianao ? Hoy aho namaly azy :
— Aza miantehitra amin’ny hevitra tsy misy fotony lazain’ny tononandro ianao ! Ahoana no hisehoanao eo anatrehan’Andriamanitra, raha tsy vita fihavanana aminy ianao, amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy ? Koa katsaho ny hametraka ny fiainanao eo am-pelatanan’Andriamanitra, eo ambanin’ny kintan’i Betlehema ! Tia anao Jesosy Kristy, ary te hamonjy anao !
Tsy maintsy nidina ny lamasinina aho, satria tonga teo amin’ny toerana nalehako. Rehefa nidina aho dia mbola niteny taminy hoe :
— Jereo izay ao anatin’ny Baiboly. Hampitolagaga anao ny zavatra hitanao ao !
Sadaikatra izy, nijery mahitsy teo anoloany, ary nandrovitra ilay gazety… Niteny tamin’io tovolahy io ve Andriamanitra ?”
Araka an’i Lexa Anders