Talata 21 Janoary 2025

Andriamanitra… tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona. Asan’ny Apostoly 14:15, 17

(Hoy Jesosy :) Izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo. Jaona 15:15

 

Andriamanitra tsy fantatra

Tany Gresy fahiny, i Atena dia nanjary renivohitra ara-tsaina sy ara-javakanton’ny tontolo tandrefana. Tao Atena no nampianatra ry Socrate, Platon, Aristote sy filôzôfa maro hafa ; tao koa no nanorina sangan’asa tena miavaka ireo mpahay maritrano sy mpahay sary sokitra faran’izay ambony. Momba io tanàna fatra-pandala fivavahana io, iankohofana amina andriamanitra isan-karazany, dia nisy nilaza fa mora kokoa ao ny mifanena amina andriamanitra noho ny mifanena amin’olona. Ny apostoly Paoly aza dia nahita alitara iray nisy soratra hoe : „Ho an’Izay Andriamanitra tsy fantatra” (Asan’ny Apostoly 17:23). Hampiasa io fiteny io izy, mba hanehoany ampahibemaso ny fototra iorenan’ny finoana kristiana.

Ho ana mpiara-belona firifiry amintsika moa ! ary ho anao koa angamba, Andriamanitra dia mbola Andriamanitra tsy fantatra.

Nefa Izy dia nihevitra hampahafantatra ny tenany amin’ny zavaboariny. Tamin’ny alalan’ny tontolo rehetra manodidina antsika, aloha : „Ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony ; ka dia tsy manan-kalahatra ireo” (Romana 1:20). Zava-mahatalanjona maro tsy tambo hisaina no manambara amintsika ny fahendren’Ilay Mpahary Tsitoha.

Ny fieritreretan’ny olona dia manome azy hevitra manjavozavo, momba ny fahamarinan’Andriamanitra, ary momba ny atao hoe tsara sy ny atao hoe ratsy. Ny Tenin’Andriamanitra sy ny asan’ny Fanahy Masina dia mahatonga fahazavan’ny fieritreretana, mba hitarika azy hahafantatra ireo fihevitr’Andriamanitra, izay masina, marina sy lavorary, sy mba hankatò azy ireo.

Nefa indrindra, Izy dia Andriamanitra mamindra fo sy mamela heloka, nampahafantatra ny tenany tamin’ny nanomezany ny Zanany Lahitokana, dia Jesosy Kristy, „mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).