Alatsinainy 20 Janoary 2025
(Hoy Jesosy tamin’ny mpianany :) Izahao ny tànako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy ; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao. Lioka 24:39
Hoy Izy tamin’i Tomasy : Atehefo eto ny rantsantànanao, ka jereo ny tànako… ary aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa. Jaona 20:27
Zava-nitranga tsy hay inoana ny hoe Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany dia nanaiky hotsapain’ny olona noarìny ! Niditra tao anatin’ny zavaboariny Izy, ka teraka ho zazakely. Ilay Zaza masina notrotroin’i Maria dia ny Zanak’Andriamanitra. Nisy lehilahy iray koa, efa tena zokiolona, antsoina hoe Simeona, nihetsi-po sady faly, namihina Azy teo an-tratrany, ary nahafantatra fa Izy io no Ilay famonjena avy amin’Andriamanitra, Ilay Kristin’ny Tompo.
Rehefa 30 taona Izy dia „nandehandeha nanao soa” (Asan’ny Apostoly 10:38), nanasitrana marary, anisan’izany ny boka, nokasihiny (Marka 1:41). Nandray ny tanana jamba iray Izy (Marka 8:23), nanangana ho velona zazavavy iray noraisany tamin’ny tanany koa (Marka 5:41). Nisy vehivavy iray nandraraka diloilo manitra lafo vidy teo amin’ny tongony, sy namafa ny tongony tamin’ny volon-dohany, ary nanoroka ny tongony (Lioka 7:38).
Nefa nisy tanana ratsy koa nikasika an’i Jesosy. Nankahala Azy ny mpitari-pivavahana, ary i Jodasy nanoroka Azy mba hanolorany Azy amin’izy ireo. Noesoina Izy, nasiana tehamaina, nokapohina… Nohomboan’ny miaramila teo amin’ny hazofijaliana Izy, notrobarany ny tanany sy ny tongony. Taorianan’ny nahafatesany, dia nisy miaramila iray nanatsatoka lefona teo amin’ny lanivoany.
Avy eo dia nisy mpino feno fanajana Azy nampidina ny fatiny avy teo amin’ny hazofijaliana, ary nametraka Azy tao amina fasana (Jaona 19).
Taorianan’ny nitsanganany velona indray dia niara-nisakafo tamin’ny mpianany Izy, ka niteny taminy hoe : „Tsapao Aho… fa ny matoatoa tsy mba manana nofo” (Lioka 24:39). Nasainy nametraka ny tanany teo amin’ny mariky ny ratrany i Tomasy…
Ankehitriny Jesosy dia any an-danitra, tsy manatrika eto ara-batana intsony. Nefa amin’ny maha mpino antsika, dia manana fifandraisana velona aminy isika, toy ny hoe eo anilantsika Izy.
(tapitra)