Alakamisy 31 Aogositra 2023
Toy ny tanimanga eo an-tànan’ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tànako. Jeremia 18:6
Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka. Lioka 18:1
Izany hoe mofomamy izany dia mila fikarakarana !
Anikeheo maraina ny zanako vavy dia nangataka ahy mba hanamboatra ho azy ilay mofomamy ankafiziny indrindra. Rehefa avy nividy ireo kanonkanona rehetra tsy ampy aho, dia nanamboatra ilay izy am-pitandremana, nanaraka ny toromarika fanaovana azy. Inona re no ho nitranga e ? raha nankao an-dakozia ilay zanako, minitra vitsy taorianan’ny fangatahany, ary nitomany satria mbola tsy teo ilay mofomamy. Ho nohazavaiko azy fa mila fikarakarana izany hoe mofomamy izany, ka mila fotoana !
Ry kristiana, indraindray isika dia manao toy izany amin’Andriamanitra. Mivavaka isika, ka raha tsy tonga eo no ho eo ny valiny, dia mihevitra isika fa tsy mamaly antsika Andriamanitra. Tsia ! Hendry Andriamanitra !
Marina fa mahefa ny zavatra rehetra Izy ! Teniny iray monja, dia nisy ny hazavana. Nefa matetika ny fangatahantsika no mitaky asa ara-toe-tsaina sy ara-panahy ao anatintsika, na ao anatin’ny olona voakasiky ny vavaka ataontsika. Io asan’Andriamanitra io dia ataony ao anatin’ny fo sy ny fieritreretana, amin’ny alalan’ny Teniny sy ny toejavatra mitranga eo amin’ny fiainana. Ary matoa mila fotoana io asa io, dia satria matetika tojo sakana ao anatintsika ao ! Andriamanitra dia miasa am-paharetana, ary tsy mandingana na oviana na oviana ambaratonga tokony holalovana. Raha atao kisarisary, dia „angoniny ny kanonkanona rehetra ilaina, hafanainy mialoha ny lafaoro, arahiny maso ny fiketrehana”… mba hamaliany ireo vavaka ataontsika, am-pahendrena sy am-pitiavana, amin’ny fotoana tandrify. Aoka àry isika hanana faharetana, hanaiky, ary hatoky !
Ao aminao, ry Andriamanitra Mpamonjy,
Ary am-patokiana tanteraka,
No iantombenan’ny foko.
Lehibe ny fahariponao
Sy ny fiantranao,
Maneho amiko isanandro,
Ny fikarakaran’ny fitiavanao.