Alarobia 30 Aogositra 2023

Fa raha misy mpihaino ny teny (ny Tenin’Andriamanitra), nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra izy ; fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny. Jakoba 1:23-24

 

Momba ny epistilin’i Jakoba (1)

Ny fitaratr’Andriamanitra

Eo amin’ny fiainana andavanandro dia mijery fitaratra isika, mba hahita raha mety ny fitafintsika na ny endritsika, ary raha ilaina dia mitondra ireo fanatsarana tandrify.

Mihatra amin’ny fiainana ara-panahy koa io fitsipika fototra io. Ny fitaratra ho antsika dia ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Soritsoritiny izay afaka ho vitantsika na heritreretintsika, amin’ny maha olona antsika. Ampianariny antsika izay mifanaraka, na tsia, amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ao amin’ny fizarany faharoa (ny Testamenta Vaovao) dia resahiny antsika Jesosy Kristy. Ny hoe mamaky ny Baiboly dia mihaino an’Andriamanitra. Izy mantsy dia miteny amin’ny fontsika sy ny fieritreretantsika.

Ny mpaminany Natana dia voatery nampiasa ny tantaran’ny ondrikelin’ilay lehilahy mahantra, nangalarina olona manankarena, mba hanazavany ny fieritreretan’i Davida, ilay mpanjaka nanao fahotana lehibe tamin’ny nakany ny vadin’olon-kafa (jereo 2 Samoela 12:1-7). Tsy maintsy niteny i Natana hoe : Ianao izany lehilahy izany. Ny hafatry ny Tenin’Andriamanitra dia fambara mampiseho amintsika ny zavatra manome voninahitra an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, ary mampirisika antsika hitozo. Atoron’io hafatra io antsika ihany koa izay ratsy, mbamin’ny fomba tsy hanaovantsika izany intsony.

Taominay ianao hamaky boky fohy iray ao amin’ny Baiboly, tena araka ny toetrandro ankehitriny, dia ny epistilin’i Jakoba. Ndao hangataka an’Andriamanitra hanampy antsika hihaino tsara izay lazainy antsika, mba haniriantsika samirery, tsy an-tery, hampihatra eo amin’ny fiainantsika izay ambarany antsika ao amin’ny Teniny.

Ireo takelaka 8 momba ny epistilin’i Jakoba ireo dia hampahafantatra antsika ny fihevitr’Andriamanitra mikasika fihetsika na fitondrantena hita ao amintsika mpino.

(tohiny amin’ireo herinandro 8 manaraka)