Zoma 1 Septambra 2023

Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo. Romana 8:28

 

Inona no dikan’ny teny hoe fitondran’Andriamanitra ?

Ny milaza hoe mitranga ny zavatra iray noho ny fitondran’Andriamanitra dia miaiky fa tonga amin’ny fotoana mahamety azy sady tsy nantenaina izany. Ny kristiana dia mahita ny asan’Andriamanitra eo amin’izay heverin’ny hafa ho vokatry ny kisendrasendra. Andriamanitra dia mitantana amin’ny fomba lavorary tanteraka, amim-pahefana, am-pahendrena ary am-pitiavana ny toejavatra rehetra lalovan’ireo zavaboariny.

Ny Baiboly dia tsy mba mampiasa mihitsy ny fiteny hoe fitondran’Andriamanitra ; ambarany mazava kosa fa Andriamanitra dia miahy ny olona. Izy ireto dia manontany tena mandrakariva momba ny asan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao, momba ny fomba anomezany azy ireo izay zavatra ilainy sy izay ilain’ny zavaboariny rehetra. Ny kristiana dia mahalala fa tsy kisendrasendra ireo zava-mitranga eo amin’ny fiainan’ny olona iray. Andriamanitra mihitsy no mitantana ireo na mamela ireo hiseho. „Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ny Tompo ?” (Fitomaniana 3:37). Tian’Andriamanitra ny olona tsirairay ary karakarainy mba hanehoany fahasoavana sy hatsaram-po. Iriny ny hisarika antsika ho eo aminy. Fantatry ny mpino mametraka ny fitokiany amin’i Jesosy Kristy fa ny fiainany manontolo dia tarihin’Andriamanitra, Izay tia sy maniry hanasoa azy. Mahafantatra izy fa anisan’ireo „izay voantso araka ny fikasan’Andriamanitra”, na dia mahatsapa ny tena harefon’ny fitiavany an’Andriamanitra aza.