Talata 29 Aogositra 2023
Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao, noho ny amin’ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao. Isaia 43:25
Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. 1 Jaona 1:7
Tianao ve ny mijery ireny rakitsarinao taloha ireny ? Indray andro aho dia namadibadika maromaro tamin’ireny ; nampahatsiahy ahy fotoam-pifaliana maro nolalovana teo anivon’ny fianakaviana izany.
Amin’ny ankapobeny dia tiantsika ny mitahiry fahatsiarovana ireo vanimpotoana tsara indrindra eo amin’ny fiainantsika ; nefa tsy misy olona hanan-kevitra halain-tsary raha tsy hita ho tsara, ka hitahiry marika fotoana ratsy : fahatezerana, ohatra. Fa Andriamanitra kosa dia mitadidy ny fiainantsika manontolo. Fantany avokoa izay rehetra nataontsika, notenenintsika, ary neritreretintsika mihitsy koa aza. Tsaroany ny antsipirian’ireny, ary hotsarainy ny fiainan’ny olona tsairairay.
Soa ihany fa afaka ho voafafa manontolo ny lasantsika meloka. Na ireo fahadisoana hadinontsika, na ireo mbola maha menatra antsika, taona maro atỳ aoriana, dia samy afaka hanjavona tanteraka tsy ho eo anatrehan’ny fitsaran’Andriamanitra. Ahoana no hahatanteraka izany ? Noho ny ran’i Jesosy Kristy. Teo amin’ny hazofijaliana mantsy Izy niaritra ny fanamelohana ny fahotan’ireo izay mitoky aminy. Ny ainy natolony no mahatanteraka izay takin’ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny fahamasinany.
„Ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana” (Kolosiana 1:20), ary ankehitriny Andriamanitra dia mamela heloka ny mpanota rehetra manatona Azy amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, sady mandray azy ireo ho zanany.
„Izay mino Azy dia tsy mba helohina” (Jaona 3:18).