Alatsinainy 28 Aogositra 2023

Kanefa misy fanao iray itenenan’Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ny olona izany. Joba 33:14

Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao. Amosa 4:12

 

Voavonjy… nefa very

Tranga tamin’ny taonjato faha-19 ity. Nizotra ho any New York ny sambo iray mandeha amin’ny etona, no nirehitra ny tao amin’ny efitra fitehirizana arina. Natahorana ny fipoahana, noho ny karazan’entana nentina. Nampandre ny mpiara-miasa aminy ny kapitenin-tsambo hoe : „Tompokolahy isany, tandindomin-doza isika, eo amoron’ny mandrakizay, ary avela eo amin’ny famindrampon’Andriamanitra”. Nijoro ho vavolombelon’ny finoany izy, ary nitaona ny tsirairay hamitram-pihavanana amin’Andriamanitra. Nivarahontsana ireto olona zatra naniratsira an’Andriamanitra, ka nanomboka nivavaka. Nahazo saina tampoka ny kapiteny hameno rano ny fitoeran’entana ambanin’ny sambo, mba hisorohana ny fipoahana. Voasoroka ny loza nanambana, ka nolazainy an’ireo manamboninahitra izany. Nefa tonga izy ireo dia nihomehy ny fahatahorany, nanadino ny nisaotra an’Andriamanitra, Izay namonjy azy ireo tamina fahafatesana azo antoka. Mbola nivazivazy teo izy ireo, no nantsoina haingana ny kapiteny, satria tsy nety nihidy intsony ny fantson-drano : feno rano ny sambo, ka atahorana ho rendrika. Nampilaza ny mpiara-miasa indray ny kapiteny. Nangorohoro izy ireo, ka nanomboka nivavaka indray. Nony farany dia voahidy ihany ny fantson-drano, voasoroka tanteraka ny loza. Mbola niverina nihomehy indray izy rehetra, tsy niraharaha…

Ianao koa angamba efa teo amoron’ny mandrakizay, efa saika maty. Hiteny ve ianao hoe : hivavaka aho rehefa manakaiky io fotoana farany io ? Nefa hanana fotoana sy hery ve ianao hanaovana izany ? Jesosy Kristy irery no hany afaka mamonjy anao amin’ny fahafatesana mandrakizay, maty Izy nisolo toerana anao ho amin’izany. Raiso ny fahasoavany. Atolony anao maimaimpoana izany ankehitriny, mba hamelany ireo helokao. Tia anao Jesosy, tiany ho any an-danitra misy Azy ianao. Aza mangataka andro, fa mety ho tara loatra rahampitso.