Alahady 27 Aogositra 2023
Ary, injao ! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : Ity no Zanako malalako, Izay sitrako. Matio 3:17
Indroa, nandritra ny fiainan’i Jesosy tetỳ an-tany, no nandrenesana ny feon’Andriamanitra nanambara hoe : „Ity no Zanako malalako, Izay sitrako”. Ny voalohany dia teo amoron’i Jordana, rehefa avy nataon’i Jaona batisa Jesosy (Matio 3:17), ny faharoa dia teny an-tendrombohitra, rehefa niova endrika ny tarehiny ka nanjary namirapiratra toy ny masoandro (17:5).
Andriamanitra dia manara-maso mandrakariva izay rehetra miseho eto amin’ity tany ity. Ary nanomboka tany am-piandohan’ny tantaran’ny zanak’olombelona, dia teo ambany masony hatrany ny fisehoan’ny ota, mamela dindo mahatsiravina eo amin’ny zavatra rehetra. Tsy nisy olona mendrika ny fankasitrahan’Andriamanitra. Jesosy irery, Ilay olona hany nankatò ny sitrapon’Andriamanitra hatramin’ny fanolorana ny ainy (Jaona 10:17-18), no nahazo ny mariky ny fankasitrahan’Andriamanitra hoe : „Izay sitrako”. Sambany Andriamanitra no naneho hoe afa-po tanteraka tamina olona. Teo dia tanteraka tao amin’i Kristy ilay nolazain’ny anjely fony Jesosy teraka, hoe : „Fiadanana… amin’ny olona ankasitrahiny” (Lioka 2:14).
Lavorary ny fiainan’i Jesosy, Izy no Ilay Zanaka malalan’Andriamanitra. Tao amin’ny hery maha Andriamanitra Azy, dia „nofoanany ny tenany, tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona” (Filipiana 2:7). Tena olona tokoa Izy, sady mitoetra hatrany ho Ilay Zanak’Andriamanitra.
Ndao hiondrika manoloana ny fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra, fanehoana hita tao amin’io Olona tokana aman-tany io : Ilay Malalan’Andriamanitra, tonga tetỳ an-tany mba hamonjy antsika. Ndao hihaino Azy !