Asabotsy 26 Aogositra 2023

Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, sy ny fanahinao rehetra, ary ny herinao rehetra. Ary… izao teny… izao… dia ampianaro tsara ny zanakao… ary resaho [azy, rehefa] mipetraka ao an-tranonao ianao… Deoteronomia 6:5-7

 

Izay ataonao dia miteny mafy kokoa noho izay lazainao

Mibahana mandrakariva ao an-tsaintsika ray aman-dreny kristiana ny hahatonga ireo zanatsika hino ny Tompo Jesosy. Ny Tenin’Andriamanitra no manoro lalana ny fanabeazana omentsika azy ireo. Nefa samy hafa ny lalana hahatongavan’ny tsirairay amin’ny finoana. Omanin’Andriamanitra am-pitandremana io lalana io ; ary tsy takatry ny saintsika ny fomba ampiasainy.

Ity, ohatra, ny momba an’i Fred : Nobeazina tao amina ankohonana kristiana izy, ary nony 16 taona dia mbola zara raha liana amin’ny Baiboly. Tampoka teo anefa dia niova ny fihetsiny. Nanjary nanoa ny ray aman-dreniny izy, satria tokony hitia azy ireo. Nokatsahiny ny hanao izay hahafaly azy ireo sy hahatakatra ny Tenin’Andriamanitra vakiny miaraka amin’izy ireo : nanjary Mpamonjiny Jesosy. Teo aloha izy dia mpihaino varimbariana nandritra ireo fivoriana kristiana, ary nilaza fa tsy resy lahatr’ireo hafatra nampitaina. Nefa tampoka teo dia tsapany fa mitovy amin’ny fiainan’i Kristy ny fiainan’ny ray aman-dreniny : fiadanana, faharetana, fanetrentena, fanolorantena noho ny fitiavana an’Andriamanitra. Hitany ny tsiambaratelon’ny fahasambaran’izy mivady.

Fampaherezana ho antsika izany, ry ray aman-dreny mpino. Misy fotoana tsy takatry ny olona ny fifikirantsika amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fiezahantsika mba hotarihin’ny fampianarany. Indray andro any dia hitondra vokany ny fahatsiarovana izay zavatra nolazaina, ary indrindra izay naseho ! Mihoatra noho ireo tenintsika, dia mamela dindo tsy hay hadinoina ny fihetsika eo amin’ny fiainana andavanandro, eo amin’ny manodidina iainana ao an-tokantrano.

Ary ianareo, ry tanora tsy mahafantatra manodidim-pianakaviana toy izany, fantaronareo koa, fa eo akaikinareo Jesosy, Ilay Mpamonjy, ary maniry hanova ny fiainanareo.