Zoma 25 Aogositra 2023
Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina. Asan’ny Apostoly 18:9
Mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany. Efesiana 6:10
Teo anoloan’ny trano fisotroan-kafe
Faran’ny lohataona tamin’izay, ireto olona vitsivitsy mbola nipetraka an-databatra teo anoloan’ny trano fisotroan-kafe, teo ivelany. Izaho nahasahy nizara taratasy kely mitaona azy ireo hino an’i Jesosy.
Nivoaka ilay mpandroso sakafo, nanontany ahy : — Inona izao ataonao izao ?
Nanazava taminy aho.
- Tsy manana fahazoan-dalana hanao izany ianao… Mandehana miresaka amin’ny mpampiasa ahy.
Italiana ilay tompon’ny trano fisotroan-kafe. Nohazavaiko azy tamin’ny antsipiriany kokoa ny nataoko, ka notapahiny ny teniko :
- Hono hoy aho, inona no antony anaovanao izao ?
- Mba hisarika ny olona hanatona ny Tompo Jesosy Kristy.
Natsotrany ny tanany ka nofihininy mafy ny tanako.
- Raha izany, dia milamina ny zavatra rehetra.
Io lehilahy io dia mino koa fa Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Mpamonjy. Norosoany kafe aho. Nony farany dia nanatitra ahy teny am-baravarana ilay mpandroso sakafo, ary nilaza tamiko fa mitady Baiboly amin’ny teny italiana. Koa faly aho nanome izany azy.
Nanahy aho nanatona ilay trano fisotroan-kafe, avy eo kosa tena sambatra niala tao, ary nisolo fiderana ilay tebiteby nanindry ahy. Ny Tompo dia mandravona ireo zava-manahirana, ary manarina mihitsy ny fitavozavozantsika aza. Ndao hampahery tena, hiresaka ny Anaran’i Jesosy, Izay manana ny hery mahavonjy. Androtsahan’Andriamanitra ny fitahiany izany.
Rehefa fantatrao fa tena tia anao Jesosy,
Rehefa fantatrao fa mamy aoka izany ny ziogany,
Dia aza fihinina ho anao irery izany harena izany,
Fa ambarao izay nataony ho anao !
Tia anao ny Mpamonjiko, ka tadiavo ao aminy
Ilay sakaizanao tsy manan-tsahala, Ilay hany fianteheranao.