Alakamisy 24 Aogositra 2023

Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23

Mamindra fo sy marina Jehovah ; eny, miantra Andriamanitsika. Salamo 116:5

 

Iza no tompon’andraikitra ?

Mora erỳ ny manondro an’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny fijalian’ny olombelona. Tohan-kevitra fahita andavanandro izany, eo amin’ireo izay mihevitra an’Andriamanitra ho lavitra be : „Ahoana no misy fahoriana be toy izao avela-na Andriamanitra mahery sy tsara fo hitranga ? Ahoana no mahatonga Azy tsy miaro tsara kokoa ny zavaboariny amin’ny kapoky ny lahatra ?”

Andriamanitra mihitsy no mamaly ao amin’ny Baiboly ireo fanontaniana ireo. Ampahafantariny antsika fa ny fanalaviran’ny olona an’Andriamanitra no antony voalohany mahatonga ny fahorian’ny olona.

Tao an-tsaha Edena, nametrahan’Andriamanitra ny olona noarìny, dia tsy nisy fijaliana, na aretina, na fahafatesana. Ireo rehetra ireo dia vokatry ny tsy fankatoavana (Romana 5:12).

Manaraka izany, ny olona dia te hiaina tsy misy an’Andriamanitra. Mahari-po Izy ka tsy namono avy hatrany ny mpanota. Nokarakarainy izy ireo, na dia te hiaina ny fiainany araka izay tiany aza, sady nanadino fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Andriamanitra, Izay tsy manery an’iza na iza, dia namela azy ireo ho afaka, ka nizaka ny vokatry ny fitantanana tsy niraharaha an’Andriamanitra izao tontolo izao.

Ny hany tompon’andraikitra, izany, dia ny olombelona, izay tsy te hiditra tao amin’ny drafi-pitiavan’Andriamanitra ho azy. Nefa na izany aza, dia tsy nafoin’Andriamanitra ny zavaboariny. Tia antsika Izy, na tsy mpankatò sy mpanota aza isika, ary manana drafitra feno fahasoavana sy famelan-keloka ho antsika. Nomeny ny Zanany, Izay nanao sorona ny tenany, mba hanaisotra ny ota sy ny vokatr’izany (Hebreo 9:26). Mba hisitrahan’ny olona io fanafahana io, dia tsy maintsy miaiky ny fahadisoany amin’Andriamanitra izy, ary mandray ny famelan-keloka atolony, noho ny finoana an’i Jesosy Kristy.