Alarobia 23 Aogositra 2023
… Teo no namonoany an’i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany, ary ny anankiray teo ankaviany. Lioka 23:33
Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Romana 10:9
Hazofijaliana telo ! Ilay teo afovoany dia ny an’i Jesosy, ary ny eo an-daniny avy dia ana jiolahy nohomboana.
Ny iray tamin’ireo jiolahy dia voavonjy tamin’ny fotoana farany, mba tsy hisy olona hamoy fo. Nisokatra ny masony, noho ny finoany ny asa tontosain’i Kristy, Ilay voahombo eo afovoany. Ny fanambarana an’i Kristy tamin’ny fanahiny, tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, no nandresy lahatra azy hoe meloka tanteraka izy. Hoy izy tamin’ilay namany : „Mandray ny valin’ny nataontsika isika”. Sady niaiky izy fa mendrika ny famaizana azy, no nanao fijoroana mahafinaritra ho vavolombelon’i Kristy hoe : „Ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety, na dia kely akory aza”.
Avy eo dia nitodika tamin’i Jesosy ilay jiolahy nibebaka, ka nangataka taminy hoe : „Jesosy ô, tsarovy aho rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao”. Niteny tamin’i Kristy izany izy, raha vao nanaiky teo anatrehan’ilay jiolahy iray fa tsy manan-tsiny Jesosy. Tsy neritreretiny na ny fangirifiriany na ireo nanatrika ny hazofijaliana ; nanaiky an’i Jesosy ho Mpamonjy sy Mpanjaka izy. Nahazo antoka izy fa ho avy ny fanjakan’i Jesosy. Nibanjina an’i Kristy ny fanahiny, izy dia nijery ilay fanjakana iray tsy azon’ny fahafatesana idirana. Tsy nisy rahona na fisalasalana teo aminy, fa faharesen-dahatra tony sy hentitra hoe ho tonga ny Tompo, ao amin’ny fanjakany.
Nomen’i Jesosy mihoatra lavitra noho izay nangatahin’ny finoany izy : „Anio no hihaonanao amiko any Paradisa”.