Alahady 25 Desambra 2022

(Hoy Jesosy :) Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Matio 28:18

 

Aza matahotra

Ny boky farany ao amin’ny Baiboly, ny Apokalypsy, no mirakitra zava-miafina indrindra. Mety ho hitantsika ho toa maizina sy mampangorohoro ny zavatra voambara ao ; izany no nahatonga ankehitriny ny teny hoe „apokalypsy”, izay midika hoe fanambarana, fampahafantarana, hanana ny hevitra hoe loza mampihoron-koditra. Ity anefa misy ampahany iray mampahery, avy ao :

„Nahita fanaovan-jiro volamena fito [ny apostoly Jaona] ; ary teo afovoan’ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak’olona, niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin’ny tratrany. Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volonondry fotsy, dia tahaka ny orampanala, ary ny masony tahaka ny lelafo ; ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, ohatra ilay voadio teo amin’ny fandrendrehana iny ; ary ny feony toy ny firohondrohon’ny rano be. Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy ; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany ; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny.

Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty, teo anoloan’ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin’ny tànany ankavanana ka nanao hoe : Aza matahotra ; Izaho no Voalohany sy Farany, dia Ilay velona ; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay” (Apokalypsy 1:12-18).

Samy mamirapiratra ao amin’ireo sary rehetra ireo ny fiandrianan’ny Tompo Jesosy, ny fahamasinany, ny fahamarinany, ny heriny. Nefa Izy dia mbola mitoetra ho Ilay Andriamanitra nanaiky ho tonga ankizy kely. Ny voninahiny dia nahatonga ny apostoly Jaona hiankohoka eo an-tongony, ary nandre izy hoe : „Aza matahotra”. Tenin’i Jesosy, Izay Andriamanitra sady olona, tia sy nampijoro ilay mpianany, ary nampahafantatra azy izay hataony. Iza moa no itenenany hoe : „Aza matahotra” ? Izay nialoka am-panetrentena mba tsy hiharan’ny fitsarana, noho ny finoana ny ran’i Kristy, ra manadio ho afaka amin’ny fahotana rehetra.