Asabotsy 24 Desambra 2022

… miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy, Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. Titosy 2:13, 14

 

Hiverina Jesosy

Ny faran’ny taona dia fotoana ampahatsahivana ny nahaterahan’i Jesosy, satria nofidina ny Noely hahatsiarovana izany. Manararaotra izany ny haino aman-jery rehetra mba hitantarana, araka ny fombany avy, zavatra momba Azy, ny fiainany ary ny hafatra entiny, saingy tsy manindry ny votoatin’ny zavamisy, dia ny hoe velona Jesosy, any an-danitra, ary mbola hiverina !

Jesosy dia maty teo amin’ny hazofijaliana, avy eo nitsangana ho velona indray, ary talohan’ny nampiakarana Azy ho any an-danitra, dia niteny tamin’ny mpianany hoe : „Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:3). Io fampanantenana io dia tondrozotra ho an’ny fiainan’ireo rehetra nametraka ny tokiny amin’i Jesosy, manome tanjona azy ireo sy mampahery azy ireo ao amin’ireo zava-tsarotra. Izy mihitsy no ho tonga haka ireo izay Azy. „Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana… ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. Koa dia mifampionòna ianareo, amin’izany teny izany” (1 Tesaloniana 4:16-18). Fanantenana mahatretrika izany, ho an’ireo rehetra mino Azy. Sady matotra no manetriketrika : rehefa miverina Jesosy, dia mifarana ny vanimpotoanan’ny fahasoavana. Aorianan’io fiverenany io, dia ho diso tara loatra ny hialana amin’ny fitsarana hihatra amin’izao tontolo izao.