Alatsinainy 26 Desambra 2022

Namelon-jaza izy, … nampiantrano vahiny, … namonjy ny nozoim-pahoriana, … nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra. 1 Timoty 5:10

 

Renim-pianakaviana

Ireto andalana manaraka ireto dia nosoratana renim-pianakaviana iray afaka namela ny asany mba hanabe ireo zanany. Zarainy amintsika izay niainany.

„Renim-pianakaviana mijanona ao an-tokantrano aho, araka ilay fiteny hoe : „tsy miasa”… Fiteny mahagaga ! Ny fandaharam-potoanako isanandro —ny ankizy, ny fiantsenana, ny fikarakarana sakafo, ny fampiriman-trano- dia toa tsy mahasarika sy tsy manome lanja firy, raha oharina amin’ny asa mahaliana nataoko teo aloha.

Nefa izay iainako „dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20). Fantatro fa ny hoe manampy ny vadiko sy mikarakara ny ankohonako, dia asa feno fahamendrehana eo imason’ny Tompo. Tia ankizy Izy, liana amin’izay rehetra mahakasika azy ireo. Izy ireo dia tiany hotarihina ho amin’ny finoana, ary avy eo hotaomina mba hivelona ho Azy. Tsy tombon-dahiny ve ny fananana fotoana bebe kokoa hiarahana miasa amin’ny Tompo, mba hanabeazana ny tsirairay ?

Hoy ny voasoratra : „Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona” (Kolosiana 3:23). Ny fanasana lamba na lovia dia tsy azo esorina tsy ho voakasik’izany fampaherezana izany. Fahasambarana toy inona moa ny hoe voataona hiaina ny andavanandro ho ana Olona manan-danja toy izany ! Nanolotra ny ainy ho ahy Izy, ary Izy koa no Ilay Andriamanitra namorona ireo vondron-kintana an’arivo tapitrisany, sady miahy ny fody kely…

Tsy nanenenako ny nanararaotra ny zavamisy, hanatonana ny fahalehibeazana sy fitiavana Tompo toy izany, eo amin’ireo raharaha sahaniko. Nasehon’ny Tompo ahy tamin’izany ny sehatra manokana iombonana aminy, izay tsy isalasalana fa tsy ho hitako tamina fomba hafa.”