Zoma 23 Desambra 2022

Fa fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny alahelony. 2 Korintiana 8:9

 

Tanora iray mpitsoa-ponenana

Mbola latsaky ny roa taona ilay zaza avy ao amina tanàna kely iray any Jodia. Nahantra ny ray aman-dreniny, sady niaina toejavatra sarotra, ary voatery nandao ny tanàna niaviany, araka ny didin’ny Romana, mba handeha hisoratra anarana (Lioka 2:1-4). Nefa nihasarotra ny raharaha satria i Heroda mpanjaka, izay nalaza noho ny hasiahany, dia te hampamono ny zazalahy kely rehetra teo amin’ny manodidina !

Io zaza io —tonga dia fantatsika rehetra- dia Jesosy, Ilay nolazaina tamin’i Josefa sy Maria, fa Ilay Mesia nampanantenaina. Te hamono azy i Heroda, satria natahotra ny ho very toerana. Araka izany, mbola kely Jesosy dia efa lasibatra *fankahalana nifofo aina*. Nefa nampandrenesina tamina nofy i Josefa hoe : „Ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta” (Matio 2:13). Jesosy izany dia niaina ny manjo ireo mpitsoa-ponenana, toy izay nisy hatrizay ary mbola misy mandraka ankehitriny. Mba tsy hahafaty Azy, dia nidina nianatsimo ilay fianakaviany, namakivaky ny taniefitr’i Jodia, nihazo ny tany fialofany.

Mbola kely Jesosy dia efa nenjehina, nefa narovan’Andriamanitra. Tatỳ aoriana Izy dia notadiavina havarina tany amina hantsam-bato, tao Nazareta, tanàna nahabe Azy (Lioka 4:29), nefa Andriamanitra niahy Azy. Imbetsaka Izy no efa nokasaina hovonoina, saingy „tsy mbola tonga ny fotoanany” (Jaona 7:30). Tsy maintsy hanolotra ny ainy ny Mesia, nefa araka ny drafitr’Andriamanitra, ka ho amina fotoana iray voafaritra mazava, dia amin’ny fetin’ny Paska, ary any Jerosalema. Nanolotra ny tenany ny Tompo (Isaia 53:12, Efesiana 5:2), nanome ny ainy teo amin’ny hazofijaliana ho antsika, nitsangana ho velona indray mba hanjary Mpamonjintsika, ary velona mandrakizay. Izy no „Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy” (Titosy 2:13).