Alakamisy 22 Desambra 2022

Fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy, mandra-piavin’izay andro izay. 2 Timoty 1:12

[Andriamanitra] mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza. Efesiana 3:20

 

Tantaran’olona manokana

„Nisy reny tanora iray namoy fo, nametraka ny zanany vao teraka ora vitsy, tao amin’ny Tranon’omby Krismasy nanoloana fiangonana iray tany New York. Nofonosiny mafana tsara ilay zaza, talohan’ny nametrahany azy tao. Angamba isika halaim-panahy hitsara io reny io… nefa dia velona ilay zaza.

Manomboka eto ny tantara no manjary ahy manokana. Zaza natsangana mantsy aho, ka tsy azoko an-tsaina mihitsy ny toejavatra manodidina ny nahaterahako. Na izany aza anefa dia tsy nahatsapa mihitsy aho hoe nariana. Zavatra tokana no azoko antoka : reny roa no naniry ny hahavelomako. Ny iray tamin’izy ireo dia nanome ahy ny aina, ny iray kosa nampiasa ny fiainany ho ato amiko.

Ny bokin’ny Eksodosy dia mitantara reny iray tojo toejavatra nampamoy fo. Namoaka didy ny Farao hampamono ny zazalahy kely hebreo rehetra (Eksodosy 1:22). Koa nafenin’ny renin’i Mosesy ela araka izay azony natao ity zanany. Nefa nony feno telo volana i Mosesy, dia nampandriany tao anaty harona kely tsy tantera-drano, izay napetrany teo amoron’i Neily.

Tsy fantatr’ity vehivavy nanam-pinoana ity izay hanjo ny zanany kely napetrany teo amin’ny ony. Notandindomin-doza ho faty io zanany io, raha nandramany notazonina. Koa na navesatra tamin’ilay reny aza izany, dia nitoky tamin’Andriamanitra ity reny ity, ary novaliany tamina fomba mahagaga. Noraisin’ny zanakavavin’ny Farao i Mosesy, ary tatỳ aoriana dia nantsoin’Andriamanitra hamoaka ny vahoakany tamin’ny fanandevozana. Ry ray aman-dreny kristiana, ndao hitoky amin’ny Tompo, momba ireo zanatsika. Tia azy ireo Izy, ka hiahy azy, ary manana fikasana ho azy ireo.”

(araka an’i Tim Gustafson)