Alarobia 21 Desambra 2022
Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. Jaona 17:3
Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo. 1 Jaona 5:13
— Ianareo mpino dia miresaka fiainana mandrakizay, nefa toy ny olona rehetra ihany ianareo, tsy afaka miala amin’ny fahafatesana.
— Eny, miverina amin’ny vovoka ny vatanay, toy ny an’ny olombelona tsirairay. Fa ny fanahin’ny isambatanolona kosa dia tsy mety maty, ka hanao ahoana ny any ankoatra, ho anareo ?
— Misy angaha izany any ankoatra izany ?
— Ny Baiboly, izay Tenin’Ilay Andriamanitra Mpahary antsika, dia milaza amintsika fa ny fanahin’ny olona tsirairay dia hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome izany (Mpitoriteny 12:7).
— Amin’Andriamanitra hoe ? Tena mampisy olana amiko izany !
— Na mpino na tsia, dia tsy maintsy hifanatrika amin’Andriamanitra, indray andro any.
Ny mpino dia manana ny fiainana mandrakizay, nomen’i Jesosy azy tamin’ny andro ninoany an’i Jesosy. Amin’izay izy dia „mifandray” ho mandrakizay amin’ny fiainana, amin’ny fiainana mandrakizay, ka ny fahafatesana ara-batana dia tsy manapaka io aina noraisin’ny kristiana tamin’Andriamanitra io. Ny fahafatesana dia fandalovana fotsiny, mampiditra azy eo amin’ny fanatrehan’ny Mpamonjiny mihitsy.
Ny tsy mino dia sokajian’ny Baiboly hoe „maty”, satria na dia mbola velona eto an-tany aza izy ireo, dia tsy manana ilay fifandraisana iankinan’aina amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Aorianan’ny fahafatesan’ny vatany, dia ho avy ny fitsaran’Andriamanitra ; ka amin’izany izy ireo dia „hiharan’ny famaliana marina, dia fahaverezana mandrakizay”, lavitry ny fanatrehan’ny Tompo (2 Tesaloniana 1:9). Koa ny fiainana mandrakizay izany dia tsy tokony hafangaro amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy.
Zava-dehibe iankinan’aina izany… Tokony halaminao dieny anio ny olana mipetraka aminao. Mandritra ny maha eto an-tany antsika no ananan’i Jesosy fahefana hamela ny fahotana sy hanome ny fiainana mandrakizay ho an’izay mibebaka.