Talata 20 Desambra 2022

Tsy menatra ny filazantsara aho ; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany. Romana 1:16

 

Ny Filazantsara, hery ho famonjena

Ao amin’ny Baiboly, Andriamanitra dia antsoina hoe : Andriamanitra Mpamonjy. Izany koa no dikan’ny anaran’i Jesosy, ary Izy mihitsy no niteny fa „tonga hitady sy hamonjy ny very”. Izaho izao ve dia hoe very ? Inona no ilako famonjena ?

Eny, very ny olombelona. Very satria ny ota dia mampisaraka azy amin’Andriamanitra, ary mitondra ny olona rehetra ho amin’ny fanamelohana sy ny fahafatesana mandrakizay (Romana 6:23 ; 5:6).

Ny Filazantsara dia manolotra maimaimpoana ny fanafahana tanteraka amin’ny ota, sy ny fiainana mandrakizay. Izany fanambarana izany dia miorina amina fanorenana tsy hay ravana, izay tsy inona fa ny fahafatesan’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, sy ny fitsanganany ho velona indray. „Kristy maty noho ny fahotantsika, araka ny Soratra Masina ; dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina” (1 Korintiana 15:3, 4). Nahoana ny Filazantsara no mbola mandaitra mandraka ankehitriny ? Satria Jesosy, taorianan’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia niakatra velona any an-danitra. Nanomboka tamin’izay dia ny Fanahy Masina Izy tenany mihitsy, Andriamanitra nirahina ho etỳ an-tany, no mambomba amin’ny heriny ny fanambarana ny famonjena.

Iza no afaka mahazo io famonjena io ? Ny olona rehetra : „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana”.

Iza no misitraka tokoa ny fanafahana entin’io famonjena io ? Ireo izay manatsotra ny tanany, toy ny olona ho rendrika ka misambotra ny vonjiaina atsipy eo aminy.

Mahatsiaro tena ho very sy tsy manan-kery ve ianao, manoloana ny fahamasinan’Andriamanitra ? Mba handraisanao ny fahasoavany, dia minoa ny fitiavan’i Jesosy, Izay nanolotra ny tenany teo amin’ny hazofijaliana, hanonitra ny fahotanao. Ny ainy no hanjary ainao.