Alatsinainy 19 Desambra 2022
Aoka hialoka ao ambanin’ny fanomban’ny elatrao aho. Salamo 61:4
Izaho nandry ka natory ; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy. Salamo 3:5, 6
Hatramin’ny faran’ny taona 1989, Roumanie dia niadidina filoha mampivarahontsana mpanao didy jadona, nanenjika sy nanagadra ny kristiana. Ndao hihaino ny tantaran’ny zava-niainana kristiana iray, nandritra izany vanimpotoana sarotra izany :
„Narahi-maso mandrakariva aho, noho ny raharaham-pivavahana nataoko, izay nolazaina hoe tsy ara-dalàna, ka voatery niafina tany an-tendrombohitra nandritra ny andro maromaro, mba handositra ny polisy. Ririnina tamin’izay. Nisy amboadia nipoitra indraindray, nefa raha ny marina, dia natahorako kokoa noho ireny ireo olona nanao haza lambo ahy. Nampandositra azy ireny aho rehefa nitabataba.
Indray alina dia namirifiry tsy nisy ohatra izany, ary izaho tena sasatra, ka nivavaka hoe : „Tompo ô, omeo firakotra aho, fa raha tsy izany dia ho faty mivaingana eto, noho izao hatsiaka izao !” Raiki-tory ihany anefa aho, ary tsy nampijaly ahy akory ny hatsiaka. Tianao ho fantatra ve hoe nahoana ? Rehefa taitra aho nony maraina, dia mbola maizimaizina ny andro. Nihetsika aho, mba hiala volivoly ; ka inona no hitako ? Biby niarina avy teo, lasa nanjavona tany anaty ala kesika. Alika mpirenireny ve iny ? sa amboadia ? Tsy fantatro. Nefa natory teo amboniko izy, nandritra ny alina. Mahagaga Andriamanitra. Tsy ho afaka nandefa hoahy, firakotra mafana mihoatra noho izany Izy !”