Alahady 18 Desambra 2022
Tsara tarehy noho ny zanak’olombelona ianao ; fahasoavana no naidina tamin’ny molotrao. Salamo 45:2
Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany (tahaka an’i Jesosy). Jaona 7:46
Ny hatsaran’i Kristy sy ny halehibeny dia niseho tao amin’ny naha olona lavorary Azy. Niditra tato amin’ity tontolo ity Izy, olona nanetry tena, teo anivon’ny mahantra. Nihalehibe Izy, niasa, nitomany, nivavaka… Tena olona tokoa Izy, saingy tsy mba nisy ota (Hebreo 4:15). Koa tsy nisalasala i Jaona nanankina ny lohany teo aminy (Jaona 13:23). Nametraka fanontaniana taminy ireo mpianany, ary noho ny tsy fahalalan’izy ireo, dia nanome tsiny Azy mihitsy aza, satria tena azo niresahana tsara Izy. Nandray olona isan-karazany Izy, ary „onena” azy ireo mandrakariva (Matio 9:36 ; 14:14 ; Marka 1:41). Tsy ireo izay mendrika hositranina ihany no nositrainy, fa „izay narary rehetra dia nositraniny avokoa” (Matio 8:16).
Ny olona tsirairay dia nanehoan’i Jesosy hatsaram-po, nefa koa fahamarinana. Ohatra, Nikodemosy, lehilahy mpivavaka nanam-pahalalana, dia nilazany fa tsy mahafantatra zava-dehibe fototra, nefa tsy nisy mihitsy teny mahery na nandratra nataony tamin’izany (Jaona 3:10-21). Tam-paharetana no nampahalalany ireo fahamarinana lalina indrindra tamina vehivavy Samaritana iray ; nefa talohan’izany dia napetrany teo anoloan’ny fahotany izy, tamin-kalemem-panahy sy tamina fomba hentitra (Jaona 4:7-29).
Mirindra tanteraka ny soritra rehetra mamaritra ny toetra lavorarin’i Jesosy. Tsy nisy fahalemena tao anatin’ny hamoram-panahiny. Ny fomba nanitsiany olona dia tsy nasiany teny mafy, na oviana na oviana. Rehefa nosamborina Izy, dia namaly tam-pahatoniana sy fahamendrehana ; dia toy izany koa rehefa niatrika ny mpitsara Azy. Ary teo amin’ny hazofijaliana, na niharana fangirifiriana lozantany aza Izy, dia nangataka famelana ho an’ireo nanombo Azy (Lioka 23:34), sady mbola nikarakara ny reniny ihany (Jaona 19:26, 27).
Tsy mahatalanjona ve ny toetrany manontolo naha Olona Azy ?