Asabotsy 17 Desambra 2022

Asandrato aminay ny fahazavan’ny tavanao, Jehovah ô. Salamo 4:6

Ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô. Salamo 27:8

Fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao. Salamo 16:11

 

Ny tavan’Andriamanitra (7)

Tenenina matetika ao amin’ny Testamenta Taloha ny tavan’Andriamanitra. Hitantsika manokana izany ao amin’ny tantaran’i Mosesy. Nofidin’Andriamanitra izy mba hanafaka ny vahoakany tamin’ny fanandevozana tany Egypta, ary mba hanome azy ny Lalànan’ny fanekena sy hitarika azy ho any amin’ilay tany nampanantenaina. Mosesy dia nanana fifandraisana akaiky tamin’Andriamanitra, tena akaiky dia akaiky Azy izy : Andriamanitra „niteny nifanatrika tamin’i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany” (Eksodosy 33:11). Noho izany izy dia afaka nanatanteraka ny asa nanirahana azy.

Raha tia olona iray isika, dia tia mahita ny tavany. Davida dia afaka nivavaka hoe : „Ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô”. Izany dia maneho fitiavana marina sy faniriana mafy hiombona aminy.

Ny tavan’Andriamanitra dia Andriamanitra Izy tenany mihitsy, mitodika amin’ny olona, ary fantatra eto amin’ity tontolo ity amin’ny alalan’i Jesosy Zanany, Izay niteny hoe : „Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:9).

Ny andinin-tSoratra Masina voalohany androany dia mampahatsiaro ny fahazavan’ny fanatrehan’Andriamanitra. Io fahazavana io dia manazava ny mpino rehetra, mampihanjahanja ireo eritreritsika, asantsika, fikasantsika. Zavatra maika ny „mitady ny tavany”, amin’ny fandraisana ilay hafatra mitory fahasoavana entiny, hoe : „Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31). Dia miala avy amin’ny haizina isika, ho amin’ny mazava. Ary „raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana firaisana isika” (1 Jaona 1:7). Koa asaina isika hiaina ao anatin’ny fahamarinana sy fifalian’ny fanatrehany, mba haneho eo amin’ny manodidina antsika, taratra kely avy amin’io fahazavana io.

Namirapiratra ny hodi-tavan’i Mosesy, satria avy niresaka tamin’Andriamanitra izy (Eksodosy 34:29, 35). Fijoroana ho vavolombelona manaitra toy inona moa izany, ho an’izay rehetra nahita azy !