Zoma 16 Desambra 2022
Hoy Jesosy taminy : Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra ? Jaona 11:40
[Jesosy Kristy,] na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, nefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra. 1 Petera 1:8
Tomasy, ilay mpianatr’i Jesosy, dia fantatra tamin’ny toetrany tsy mora mino. Tsy te hino afa-tsy izay hitany izy. Izany ihany koa no fironan’ny olona miteny toy ny hoe : „Rehefa mahita aho dia afaka hino, fa tsy alohan’izany !”
Sarotra tamin’i Tomasy mantsy ny nino fa nitsangana ho velona indray Jesosy, ary amin’izany izy dia antsoina hoe tsy mino. Nefa izy dia nanana zavatra mihoatra noho ireo olona mihevitra toy izany. Avy eo izy dia nanaraka ireo mpianatra nanamafy fa nifanena tamin’ny Tompo, Izay velona. Ary rehefa nanao izany dingana izany izy, dia nahita an’i Jesosy, ka nino.
Naneho ny finoany izy, tamin’ny niantsoany mafy hoe : „Tompoko sy Andriamanitro !” Hoy Jesosy namaly azy : „Satria nahita Ahy ianao, dia nino ; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino”.
Io no toejavatra mahazatra iainan’ny mpino : mino aloha, avy eo mahita. Dieny ankehitriny, amin’ny finoana dia efa fenon’ny fitiavan’Andriamanitra, ary tsy ho ela dia hibanjina tsy misy sakantsakana ny Tompo any an-danitra.
Ary ahoana ny aminao izay mamaky izao teny izao ? Porofo hafa inona, ankoatra ny fanambaran’ny Baiboly, no hilainao mba handresy lahatra anao ? Azo antoka fa tsy hisy ho ampy, satria ny finoana dia tsy mba vokatry ny zava-niainan’olombelona tsy akory, na mahagaga toy inona aza io zavatra io.
Mba hinoana, dia tsy maintsy manaiky horesen’ny Fanahin’Andriamanitra lahatra. Tokony haniry tsotra fotsiny ny hino an’Andriamanitra sy hitoky aminy, satria Izy manome ny finoana ho an’ireo izay mitady Azy. Jesosy Kristy dia maty teo amin’ny hazofijaliana mba hanokatra ny lalana mitondra ho eo amin’ny fanatrehany, sy mba hampahazava ny saintsika momba izay mahakasika Azy.