Alakamisy 15 Desambra 2022
Tomoera etỳ amiko, ka aza matahotra… fa eto amiko no hahavoavonjy anao. 1 Samoela 22:23
Jehovah hiaro anao amin’ny ratsy rehetra ; eny, hiaro ny fanahinao Izy. Salamo 121:7
Ny tsy fandriampahalemana ankehitriny dia manery bebe kokoa hatrany hampiasa mpiaro manokana hiambina ny olo-malaza sy ny manampahefana. Dia resahina ny hoe fiarovana akaiky. Ny loza anefa dia anisan’ny fiainan’ny isambatanolona, ka mety hamely amin’ny fotoana rehetra, na ireo marefo, na ireo matanjaka indrindra. Iza no hianteherana, mba ho voaaro ?
Ho an’ny kristiana, izay tandindomin-doza isan-karazany koa, ny fiarovana akaiky dia ny fiarovan’Andriamanitra. Tsy mba matory na rendrehana Andriamanitra (Salamo 121:4), mitohy tsy tapaka ny fiarovany, na dia avelany handalo fitsapana aza ny kristiana. Tsy mba sasatra na oviana na oviana Izy, tsy mba varimbariana, ary ny fiarovany tsy miovaova dia maharo amin’ny fanafihana ara-batana rehetra, nefa koa, ary indrindra, manoloana ny famelezan’i Satana, ilay fahavalon’ny fanahintsika. Nanomboka tamin’ny nidiran’ny ota teto amin’izao tontolo izao dia fahavalo mihaodihaody i Satana, „mitady izay harapany” (1 Petera 5:8). Ry kristiana ! Isika dia miatrika fahavalo matanjaka sy fetsy lavitra noho isika. Nefa ny Tompo Jesosy efa naharesy azy teo amin’ny hazofijaliana, ka afaka mialoka mandrakariva eo amin’ny Tompo isika. Andriamanitra dia mamelatra ny ampinga fiarovany eo ambonin’ny olony, ireo rehetra mitoky aminy. Manangana „fefy” tsy hain’i Satana arodana Izy, manodidina ny tsirairay amin’izy ireo (Joba 1:9, 10). Ndao hiaina eo anilan’i Jesosy, tsy hatahotra ny fanafihan’ny fahavalo. Jesosy mihitsy no manalalana ho an’ireo izay navotany. Tsy nanome toky an’i Petera mpianany ve Izy hoe miaro azy ? „Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo, hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao” (Lioka 22:31, 32).