Alarobia 14 Desambra 2022
Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe : Aza manamafy ny fonareo. Salamo 95:7, 8
Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao, dia hiadana ; izany no hahatongavan’ny soa aminao. Joba 22:21
— Ny ankizy dia mbola tsy manana fanahiana loatra, ka tsy mihevitra momba an’Andriamanitra na ny mandrakizay. Mbola misy zavatra betsaka aoka izany hofantarina, lalao maro hatao. Sady mbola ho lava koa ny fiainana eo anoloana e !
— Rehefa tanora dia matetika matoky tena loatra, ka tsy mila an’Andriamanitra ; ary manana ny heviny, ny nofinofiny, ny fikasany, sady mieritreritra fa tsy hisy hahasakana ireo tsy ho tanteraka. Na koa, toa hita hoe mafy ny fiainana, tsy misy hoavy, hidona mivantana amin’ny rindrina izao tontolo izao, manakona ny sehatra eo anoloan’ny tena ny fotoan-tsarotra. Ary ny Baiboly koa anie, natao ho an’ny antitra e…
— Rehefa manambady, tsy fotoana tandrify izao. Mbola ato anaty fahasambarana loatra, ka tsy te hisaina ny hoavy, ny mandrakizay, ny fahafatesana, tsy te hihevitra an’Andriamanitra. Ampy ny fahasambarana iainana ankehitriny !
— Eo anivon’ny ankohonana dia be herehina loatra. Tsy maintsy mikarakara ny ankizy, mihevitra ny fanabeazana azy ireo, miantoka ny hoaviny. Ho tena mahasoa azy ireo ny maneho aminy ny fitiavan’i Jesosy, nefa mba hamelana azy hanana safidy malalaka, mba ho „fanajana” ny fieritreretany, dia tsy atao izany.
— Rehefa nahazoazo taona, dia mbola ilaina ve izany izao ? Mba azo lazaina ho milamina ihany ny fiainan’ny tena. Koa nahoana no handini-tena indray ?
— Aorianan’ny fahafatesana… dia efa diso aoriana loatra. Tara loatra ny hiheverana momba ny hiafarana, tara loatra ny hinoana, tara loatra ny hahalalana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny hialofana eo am-pototry ny hazofijalian’i Jesosy. Tara loatra ny mba ho voavonjy… tara loatra ho mandrakizay !
Mandeha ankehitriny ny horonantsarin’ny fiainanao. Aiza ho aiza izy izao ? Fotoana izao hamelana an’Andriamanitra hiditra eo amin’ny fiainanao. Aza miandry intsony. Hararaoty ny fotoana. Hoy Jesosy aminao : „Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” (Jaona 6:37). Ataovy izao dingana izao : minoa Azy !