Talata 13 Desambra 2022

Ny irin’ny foko sy ny angatahiko amin’Andriamanitra ho an’ireny, dia famonjena. Romana 10:1

Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina ; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin’Andriamanitra ho azy. Asan’ny Apostoly 12:5

 

Nivavaka ho ana fiovam-po

Teraka tany Hongria tao amina ankohonana jiosy i Rosa Warmer, ary nahita ny Filazantsara tamin’ny taona 1938, tany Budapest. Izao no notantarainy, taoriana-na resaka mafana nataony tamina mpitory Filazantsara iray.

„Nisy zava-nitranga hafahafa tamin’io alina io. Teo am-pandinihana ny Soratra Masina aho dia nahatsapa fiovana tato anatiko. Tsy nisalasala firy intsony toy ny teo aloha aho, tsy nitady „porofo” intsony mba handisoana ny teny manaitra nataon’ilay niresaka tamiko momba ny faminaniana. Tsy nihevi-tena ho nahafantatra lalina toa azy intsony aho : te hianatra aho. Tsy nosainiko mihitsy fa, nandritra io fotoana io dia nisy olona maro nivory tao amin’ny efitrano lehibe fanaovana fivoriana kristiana, nivavaka ho an’ity tovovavy jiosy niakanjo mainty ity, izay nametraka fanontaniana momba ny Baiboly nandritra ny ora maro. Namaky toko lava maro aho. Nanomboka tao amin’ny Testamenta Taloha aho, dia niampita ho amin’ny Testamenta Vaovao, ary nifamadika amin’izany koa. Nitombo hatrany ny fihetsehampoko, ka toy ny voatosika hitady ny fahamarinana aho. Nirehidrehitra ny foko tamin’izaho namaky sy niverina namaky ny toko faha-53 ao amin’ny Isaia sy ny Salamo 22.

29 taona aho tamin’izay. Nisafotofo be ihany ny fiainam-panahiko tamin’izany fotoana izany. Sambany no nisy tara-pahazavana nihalehibe, arakaraka ny nanatonako izany. Nahery loatra ny jiro nanazavany ny fiainako lasa ! Tamin’io fotoana io indrindra no nifoha ny fieritreretako, mba hahita ny fahasoavan’Andriamanitra. Fantatro ankehitriny ny zavatra tokony hataoko. Napetrako manontolo tamin’ny Mesia, ny Tompo Jesosy Kristy, ny foko.”

Voaova noho ny fihaonany tamin’ny Mesia i Rosa Warmer, ka nanokana ny fiainany hijoro ho vavolombelona teo amin’ny Jiosy. Tsy nihontsona izy, na teo aza ireo loza nanambana, ka ho vavolombelon’i Kristy, hatrany amin’ireo toby fanangonana gadra jiosy.

Araka an’i Myrna Grant