Alatsinainy 12 Desambra 2022

Ny tany… ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo. Joba 28:5

Ny lanitra dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. 2 Petera 3:10

 

Eo ambony volkano

Ny tany onenantsika, hoy ny fanazavan’ny mpahay atin-tany, dia bolabolan’afo voafono fota-javatra mafy, izay raha ampitahaina amin’ny haben’ny atody, dia manify noho ny akorany. Any amin’ny am-polon-kilometatra vitsivitsy fotsiny ao ambany tongotsika ao, dia misy fangarona ventin-javatra marihitra („magma”) mirehitra mangotrakotraka. Raha mieritreritra ny tsindry goavana mihatra avy any anatiny amin’io fonony manify io isika, dia mahatakatra ny antony mampihovitrovitra ny tany indraindray, any amin’ny faritra sasany eto amin’ity planeta misy antsika ity. Takatra ihany koa ny fisian’ny volkano, izay toy ny triatra eo amin’ilay fonon’ny tany, ka ivoahan’ireo singa mangotrakotraka.

Marina fa mampihoron-koditra ny zava-doza vokatr’izany. Nefa trangan-javatra lehibe iray, mbola loza lavitra kokoa noho izany, no miandry izao tontolo izao. „Fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny (tenin’Andriamanitra) izany ho amin’ny afo” (2 Petera 3:7). Tsy azo ihodivirana io didy io. Rakotra fahavetavetana sy herisetra tsy hay lazaina mantsy izao tontolo izao, hany ka efa antomotra ny andro hitsaran’Andriamanitra azy. Tsy misy afa-tsy fialofana tokana, ho an’ny olona, dia Jesosy. Ilay voahombo teo amin’ny hazofijaliana dia manolotra ho an’ny olona tsirairay hafatra milaza famonjena mandrakizay. Raha mbola tsy nandray io hafatra io ianao, dia fotoana izao handraisana azy. Sokafy ny masontsika, mibebaha, ario ny hevi-poana momba ny tenantsika, ny adihevitra, ny avonavona. Ndao hianatra hahafantatra ny Kristy. Ndao hanatona Azy, hiteny aminy hoe : „Very aho… Aoka Ianao ho Mpamonjiko”.

Mifohaza isika, mandalo izao tontolo izao, manakaiky ny fitsarana. Anio Andriamanitra dia manolotra ny fahasoavany amintsika, ndao handray izany !