Alahady 11 Desambra 2022

Izaho hilaza an’i Jehovah hoe… Andriamanitro, Izay hitokiako. Salamo 91:2

Tsy hisy loza hanjo anao… Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao, mba hiaro anao. Salamo 91:10, 11

 

Ny fikarakaran’ny Ray ny Zanaka

Teo amin’ny fiainana naha olona an’i Jesosy tetỳ an-tany, dia nitoky tamin’Andriamanitra Rainy Izy. Nokarakarain’Andriamanitra fatratra ny Zanany, indrindra rehefa natao tsinontsinona sy nankahalain’ny olona :

— Heroda mpanjaka dia te hamono Ilay vao teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy. Nefa tamin’ny alalana kintana iray Andriamanitra dia nitarika magy mba hanatitra amin’i Jesosy mbola ankizy kely ny fanajana mendrika ny mpanjaka (Matio 2:11).

— Nandray an’i Jesosy tao an-tranony ny lehilahy iray niseho ho mpivavaka, nefa mahimahina sy tsy dia nisy fanajana, nampandroso Azy : tsy nomeny rano Izy, hisasany tongotra, araka ny fomba fanao. Fa Andriamanitra kosa nanosika vehivavy iray hiditra nandritra ny fisakafoana, mba handraraka zavamanitra teo amin’ny tongotr’i Jesosy, noho ny fitiavany Azy. Nataony vonton’ny ranomasony ny tongotr’i Jesosy ary nofafany tamin’ny volon-dohany, ho mariky ny fitsaohany Azy (Lioka 7:38).

— Jodasy dia niketrika ny fikasan-dratsiny, ireo mpitarika ara-pivavahana nioko mba hamelezana an’i Jesosy. Fa Andriamanitra kosa nitarika vehivavy iray hafa, i Maria avy any Betania, mba hanolotra ho an’i Jesosy ny sarobidy indrindra nananany, dia tavoara feno menaka manitra tena lafo vidy. Fampaherezana lehibe toy inona moa izany, ho an’i Jesosy : mari-pitsaohana mangina natolotra Azy, teny amin’ny lalany ho eny amin’ny hazofijaliana (Jaona 12:3) !

— Jodasy dia namadika Azy, i Petera handà Azy, ho voasambotra Jesosy, hotsaraina ary hohomboana eo amin’ny hazofijaliana. Noho ny fahatsinjovany izay hanjo Azy hitondra ny fahotantsika, dia nitebiteby mafy Izy. Naniraka anjely Andriamanitra mba hampahery Azy (Lioka 22:43).

— Jesosy dia teo amin’ny hazofijaliana, teo anelanelana jiolahy roa. Andriamanitra dia nanosika an’i Pilato mba hametaka soratra maneho ny hasina maha Mpanjaka Ilay voahombo (Jaona 19:20-22).

— Ireo olona maty voahombo dia miara-alevina ao anaty lavaka iray, nefa nirahin’Andriamanitra ny lehilahy manankarena iray, hametraka ny vatan’i Jesosy ao anaty fasana vaovao (Jaona 19:41).